Fanadiovana ny kaominina: hisy ny ozinina hanodina ny fako ho lasa zezika sy angovo

Anisan’ny mampitaraina ny kaominina maro ny fitantanana ny fako noho ny antony samihafa. Vahaolana maharitra ho azy ireo ny fisian’ny fanodinana fako maharitra ialana amin’ny vesatra isan-karazany.

Notanterahina teny Anosy, omaly, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ireo kaominina ma­nodidina an’Antananarivo sy ny Tany Développement maha­kasika ny fanangonana ny fako ho azo hahodina ho lasa vokatra.
Hisy toerana dimy hametrahana ny ozinina fanodinana fako. Ireo toerana ireo no handraisana ny fako avy amin’ny kaominina mifanakaiky. Ian­draiketan’ny orinasa Tany Développement amin’izay avy eo ny mitsinjara izany sy manodina azy ho lasa zezika na angovo azo havaozina…
Manodidina ny 70t hatramin’ny 80t ny fako ahodin’ny ozinina iray raha ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitra, René Walson. Anisan’ny hametrahana ozinina ny eny amin’ny kaominina Bonga­tsara ka hitaterana ny fakon’ ireo kaominina manodidina azy.
Rehefa madio ny tanàna, azo antoka ny fahasalamana ary tonga ny mpizahatany. Tsy maintsy tratra ny tanjona dia i Madagasikara madio amin’ny taona 2030, hoy ha­trany ny toky nomena ireo ben’ny Tanàna.
Sarotra amin’ny kaominina ny fakana fako noho ny antony maro, toy ny tsy fahampian’ny kamiao na ny solika hitaterana ny fako. Hanampy ny kaomi­nina amin’ny fitantanana ny fako, araka izany, ity fiaraha-miasa ity.
Mila hajaina ny dingana rehetra hahatanterahana ny tetikasa, toy ny fifanarahana amin’ny kaominina, ny fana­dihadiana momba ny tontolo iainana, ny fahazoan-dalana…
Nilaza ireo ben’ny Tanàna, fa fanamaivanana ny vola mivoaka amin’ny fitantanana ny fako ny fiaraha-miasa rehefa tena mandeha ny fakana ny fako ataon’ny Tany Déve­loppe­ment.

Tatiana A

Partager sur: