Nanao veloma ny Praiministra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny solontenan’ny FMI, i Mokhtar Benlamine, rehefa niasa roa taona teto amintsika. Nifantohan’ny dinika ny jery todiky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nambaran’ny vahiny fa nahafa-po azy ny fiaraha-miasa tamin’ny filohan’ny Repoblika sy ny governemanta. Niatrika fihaonana iraisam-pirenena tany Autriche, […]
Mois : juin 2024
Ramamimampionona Gérard: «Fampandrosoana no tena vokatry ny fifidianana»
“Ny tena voka-pifidianana dia tonga marina any amin’ny olona izay nomen’ny vahoaka fahefana na nofidiny ny fahefana, ka hampiasainy ho fampandrosoana ny vahoaka?”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, amin’izao fiandrasana valim-pifidianana depiote izao. Tena hampiasan’izay nofidina na ny fahefana nomena azy amin’izany, ka miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana […]
Ny vahoaka aloha !
Mety ho amin’ity herinandro ity no andrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Mazava iny ny fitsipi-dalao avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy hajaina ny safidim-bahoaka, hoy izy. Na iza na iza, araka izany, lany dia efa misolo tena ny vahoaka malagasy izy izay. Didy […]
Fiarahamonim-pirenena miisa 52 : «Sazio ireo kandidà tsy nanara-dalàna…»
Namoaka fanambarana ireo eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena miisa 52, omaly, tetsy Ambatonakanga. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa maro ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana depiote teo. Anisan’ny voamarik’ireo mpisehatra misahana ny fanaraha-mason’ny fifidianana izany ka nitakin’izy ireo amin’ny HCC sy ny fitsarana ny hanafoanana ny vaton’ireo kandidà nanao fandikan-dalàna. Teo ny nandritra ny […]
Halatra taolam-paty : Kandidà depiote ao Anosibe an’Ala ahina
Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), kandidà depiote iray ao Anosibe an’Ala no voatonontonona ho tompon’antoka amin’ny vaky fasana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpanao famotorana, nisy halatra taolam-paty tao amin’ny fokontany Niarovana, kaominina Longozabe, tamin’ny zoma alina. Tratra ireo mpamaky fasana […]




