“Nanome toky ny Ceni fa ny fikirakirana ny valim-pifidianana dia natao tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka sy ny fangaraharana tanteraka, ka heverinay fa hitondra fitoniana sy filaminana.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, taorian’ny fanambarana ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika. Vokatra vonjimaika ihany no navoakan’ny Ceni, fa […]
Mois : juin 2024
Samia miandry am-pitoniana
Vita izay ny anjara asan’ny Ceni. Nivoaka ny vokatra vonjimaika. Raha fehezina, nizotra tamim-pilaminana sy araka ny tokony ho izy ny raharaham-pifidianana. Nilamina manerana ny Nosy, afa-tsy ny tamin’ny toerana vitsivitsy izay nisehoana herisetra. Tsy mahagaga anefa izany fa tsy maintsy misy hatrany ny volo mpanoha-randrana. Ny omby indray […]
Voka-pifidianana vonjimaika: natanjaka ny mahaleo tena, nahazo ny maro anisa ny Irmar
Namoaka ny voka-pifdidiana vonjimaika, omaly ny Ceni. Nanana ny toerany ny kandida mahaleotena. Nahazo maro anisa ny Irmar. Niverina amin’ny tanjany ny mpanohitra. Tontosa omaly, teny amin’ny foiben’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), ny lanonana nanambarana ny vokatra vonjimaika, fifidianana solombavambahoaka, natao ny 29 mey 2024. Miisa 163 […]
TSELATRA
Karohin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana ilay lehilahy nanolana ny zanany vao herintaona sy tapany tao Marofody, kaominina Ambinaninony, distrika Brickaville, ny sabotsy 8 jona teo. Nandeha nitoto vary ny renin’ilay zaza ka nanararaotra nanao ny filan-dratsiny io rain-jaza io. Nitrangana haintrano tao Mangarano, Toamasina, omaly maraina. Tsy nahatafavoaka na inona […]
nidona tamin’ny sisindalana : mpitondra moto maty teny Fenoarivo
Namoy ny ainy teo no ho eo ny raim-pianakaviana iray nitondra kodiaran-droa teny Fenoarivo, anatin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly alina. Hamonjy fodiana, niharan-doza tampoka io lehilahy io. Nidona mafy tamin’ny sisin’arabe ny moto nentiny, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Nitsirara teo afovoan-dalana ilay lasibatra. Tsy nahetsika intsony izy. Tsy nisy aina intsony. […]




