Anio no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana vonjimaika avy eny amin’ny Ceni. Raha ny fantatra dia misy ny lamina manokana hamoahana izany mba ho fitandroana ny mangarahara. Milaza rahateo ny tomponandraikitra fa mitandro toy ny anakandriamaso ny fahadiovan’ny asan’izy ireo. Porofon’izany ny fahafahan’ny tsirairay mankeny amin’ny birao, mijery […]
Mois : juin 2024
Kandidà Irmar : “Fanakorontanana ny fitabatabana hala-bato tsy misy fitoriana”
Manamafy ny kandida avy amin’ny Irmar fa niharan’ny hala-bato koa izy ireo. Tsy mitabataba sy mandrangaranga korontana anefa fa miady araka ny lalàna. “Ny fitabatabana fa misy ny hala-bato amin’ny haino aman-jery sy amin’ny tambajotran-tserasera nefa tsy mitondra porofo ary tsy mitory amin’ny fitsarana dia midika fa fanakorontanana no tiana […]
TSELATRA
Nandrehitra kodiarana, nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana naneho ny fahatezerany manoloana ny fahatapahan-drano ny fokonolona ao amin’ny fokontany Anjanahary, boriborintany fahadimy, omaly. Tsy nahazo rano nanomboka ny alahady 9 jona teo izy ireo. Mpitondra moto iray maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, teny Andakana, afakomaly. Nianjera tany anaty lakandrano io mpitondra […]
Nikasa hanafika : jiolahy maty voatifitra teny Talata Volonondry
Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana, tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana sy Antanetibe, kaominina Talata Volonondry, afakomaly, ny jiolahy raindahiny iray. Nahazo fampitam-baovao tamin’olon-tsotra ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona fanafihana tao amin’ireo fokontany roa ireo. Nidina teny an-toerana ny zandary tamin’io fotoana […]
Ambilanibe-Andavamamba : jiolahy roa maty voatifitra
Lavon’ny tifitra nataon’ny polisy ny jiolahy roa nanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambilanibe, Boriborintany fahefatra, omaly. Narahin’ny mpitandro filaminana maso akaiky ny fihetsik’ireo olon-dratsy ireo. Nikononkonona fanafihana mitam-basy teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao marim-pototra azon’ny polisy. Nanao vela-pandrika avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana ka tsy tontosa […]




