Mois : juin 2024

INDRAY MIJERY

750 Ar ka hatramin’ny 800 Ar izao ny vidin’ny atody akoho iray eny amin’ny mpaninjara. Tao anatin’ny herinandro no niakarany, hoy ny mpivarotra, ary mety mbola hitohy izany fiakarana izany satria akora be mpanjifa isan’andro ny atody. Nisy ny fifampizarana niarahana tamin’ny Ergothérapeute, Rakotoarisoa Elinah, ny faran’ny herinandro teo, teny […]

Barikadimy – Mention gestion: nanao diabe miakanjo fotsy ireo mpianatra

Diabe am-pilaminana miakanjo fotsy, tao anatin’ny faritry ny oniversiten’i Toamasina Barikamidy, omaly, ny hetsika nataon’ny mpianatra ao amin’ ny Mention gestion. Mbola hitohy rahampitso ny fitakiana ka ho raikitra ny fitokonana raha tsy voavaha ny olana, hoy ny fanambarana. Nanome fe-potoana 72 ora hamahana ny olan’ny naoty ireo mpianatra ao […]

Toeram-pandraisana mpifindra monina: teknisianina miisa 40 niofana momba ny fitantanana

Fakan-tahaka ho an’ny firenena maro i Madagasikara amin’ny fifehezana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza satria andalovan’ny rivodoza matetika sy itrangana haintany lavareny. Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny ekipa teknika. Nifarana ny herinandro lasa teo ny fanofanana amin’ny fandrindrana sy fitantanana ny toeram-pandraisana ireo traboina na mpifindra monina. Nandritra ny 10 […]

Teknolojia: dinihina ny fananganana ny ivontoerana ho an’ny IA

Tetikasa goavana. Tafidi­tra tao anatin’ny lahadinika nandritra ny hetsika « Gitex Afri­ca 2024 », natao tany Maroc, ny faran’ny herinandro teo, ny fananganana ny ivontoerana iraisam-pirenena momba ny Intelligence artificielle (IA), eto Madagasikara. Nisy ny fifanaovan-tsonia ha­nadihadiana ny fanatanterahana ny tetikasa. Hahafahan’i Madagasika­ra miditra eo amin’ny tsenan’ny teknolojia ity fifanarahana ity. Anisan’ireo miara-misalahy […]