Handball – “Mada sénior 2024” Tompondaka ny THBC sy ny Asco Toliara Nisalotra ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara 2023 azy, eo amin’ny taranja handball, sokajy Sénior, ny THBC Analamanga, ho an’ny vehivavy, raha ny Asco Toliara kosa ny teo amin’ny lehilahy. Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny […]
Mois : juin 2024
Sombim-baovao
Hanainga rahampitso, ho any amin’ny Nosy Maorisy, ny ekipam-pirenena malagasy Makis seven de Madagascar. Hiatrika ny « Africa Men’s tour », taranja rugby, lalaovin’olona fito ireo lehilahy mpilalao. Miray vondrona amin’izy ireo, i Maurice, mpampiantrano, Nigeria, ary i Kenya. Nifarana omaly, tany Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, N1A faritra […]
Atletisma – Tompondakan’i Afrika Sénior 2024: nahazo medaly alimo i Sidonie teo amin’ny 100 m misy fefy
Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma 2024, ho an’ny sokajy Sénior. Norombahin’i Sidonie Fiadanantsoa ny medaly alimo rehefa nahazo ny laharana fahatelo ny tenany. Tanterahina any Douala Cameroun, nanomboka ny zoma lasa teo, ny andiany faha-23 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2024, […]
Lomano – “Lalao Olympika 2024”: notsipahin’ny Federasiona ny maha solotena an’ i Eliot
Nohamafisin’ny Federasiona malagasin’ny lomano (FMN), omaly, fa i Jonathan Raharvel, no solontenan’ny Malagasy lehilahy, hiatrika ny lalao Olympika “JO 2024”. Nolavin’izy ireo ny filazana fa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ity fifaninanana goavana ity, Rakotondramanga Eliot, Malagasy mpilaravinahitra any ivelany. Nomarihin’izy ireo fa mitsipaka tanteraka ny lalàna iraisam-pirenena i Eliot.“Araka […]
Taratry ny kanto
Hetsika maro no nentin’ny teto Madagasikara nanamarika ny “Fête de la musique”, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Samy nahitana hetsika avy ny teny anivon’ireo renivohi-paritany, manerana ny Nosy. Fotoana iray nanomezana lanja manokana ny mozika sy ireo mpahay kanto, mpihira, indrindra ireo vao misandratra. “Fitiavana, Tanindrazana, Fozaorana”. Vokatra vaovao no […]




