Lavon’ny balan’ny zandary i Gadoko, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana ao Bemaitso, fokontany Ambatolampy, distrika Andilamena, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nokarohina hatry ny ela, naharay loharanom-baovao ny zandary miasa ao an-toerana fa mihaodihaody tsy lavitra ny distrika io dahalo io sy ny mpiara-manao asa ratsy […]
Mois : juin 2024
Toamasina: nidiran’ny jiolahy ny tranon’ny filohan’ny AJT
Nidiran’ny roa lahy antsokosoko ny trano fonenan’ny filohan’ny Fikambanana mpanao gazety ao Toamasina (AJT), tao amin’ny fokontany Analakininina, Hopitaly Be, parisela 12/21-22, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 19 jona teo. Namita iraka ivelan’i Toamasina ny filohan’ny fikambanana ka tsy tao an-tranony. Finday maromaro an’ny vady aman-janak’ilay mpanao gazety lasibatra sy […]
Latsaka tanaty lavaka : zandary maty, ilay zaza avotra!
Nitady toerana avo hiantsoana amin’ny finday, nilatsaka tampoka tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha, tao Ankazobe. Namoy ny ainy izy. Maty tampoka rehefa nilatsaka tsinahy tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha iray, omaly. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarina, kaominina ambanivohitra Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe no nisehoan’izany. Nalefan’ny lehibeny nanao fisafoana teny amin’io fokontany […]




