Mikononkonona hetsika hanehoana zavakanto… Ela tsy tazana, hiverina indray, tsy ho ela, eo amin’ny tontolon’ny literatiora i Tsiaro Ny Fitia. Mpanoratra anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny zavakanto vita amin’ny teny ny tenany. ” Tsy hoe nanadino ny literatiora akory raha ela tsy tazana fa nitolona […]
Mois : juin 2024
« Diary Nofy »: nivoaka ny boky faharoa, amin’ny endriny fihaino
Mitondra ny ankizy any anaty nofinofy… Nahitana fanatsarana raha oharina amin’ilay andiany voalohany ilay boky « Diary Nofy », nampahafantarina omaly koa ny endriny fihaino. Boky fa fihaino. Efa fanao izany, ary tsy natao ho an’ireo manana fahasembanana amin’ny maso ihany, fa ho fampitiavana bebe kokoa ny boky ihany koa. Efa mivoaka […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 37,7% ny fanondranana vokatra lamba nataon’i Madagasikara nihazo an’i Etazonia tamin’ny taon-dasa raha oharina tamin’i Frantsa izay 22,13%. Mitentina hatrany amin’ny 4 miliara dolara ireo vokatra naondrana. Firenena voalohany manafatra ny vokatry ny indostrian’ny lamba eto Madagasikara i Etazonia. Harahi-maso ny kalitaon’ny sira misy ioda any amin’ny faritra Androy. […]
Vita ny tetezan’i Nosibe: mamelona indray ny toekarena ao Toamasina
20 taona taorian’ny nahapotehany, vita tanteraka ny tetezan’i Nosibe, PK 22 – RIP 7, mampitohy an’Ivoloina sy Ambodiriana , 35 km avaratra andrefan’i Toamasina, ao amin’ny distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana. Ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]
Mila misikim-ponitra !
Mamofopofona asaramanitra ny tanàna. Nanomboka omaly ny fametrahana ireo fitaovana fanamafisam-peo amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, hanaovana ny « podium ». Efa mahoraka ny kerimesy isaky ny sakelin-tanàna. Feno hipoka hatrany ny trano fisotroana. Mahazo mpanjifa maro ny mpanao “kodia kely” sy ny “ tornieky”. Maresaka e! Mifanindran-dalana amin’izay, […]




