Nitombo isa ireo Lycée sy CEG nanangana klioba Hary fahalalana, hary fomba (HFHF). Mifototra amin’ny fampitana hafatra mafonja an’onjampeo mahakasika ny fanabeazana ho olom-pirenena sy ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo sy ny tanora ny tetikasa klioba HFHF.45 ireo tafatsangana eny anivon’ny Dren 15, ny taona 2023. Nanomboka ny 10 jona hatramin’ny […]
Mois : juin 2024
Fanadinana CEPE: noraisina ny fepetra hisorohana ny hosoka
Nizotra tamim-pilaminana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, omaly tontolo andro, manerana ny Nosy. Nitsidika ny foibem-panadinana CEG Antanimbarinandriana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena misolo toerana, Randriamanantany Zely Arivelo, nijery ny fikarakarana. Nanambara izy fa anio no hanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana ary hoezahina tsy hihoatra ny herinandro ny famoahana ny valim-panadinana. […]
Kianjan’i Betongolo : Kermesin’ny hery mampandry fahalemana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny kermesin’ny Hery fiarovana sy filaminana etsy amin’ny kianjan’i Betongolo. Haharitra 8 andro ny hetsika ary hifarana ny 26 jona izao. Natomboka tamin’ny lanonam-panehoana ny Hery fiarovana sy filamanana ny lanonana. Toy izay koa ny vady miaramila sy ny vadina zandary. Tanjona ny hametrahana fandriampahalemana […]
Fiarovana ny harena voajanahary: hitohy amin’ny dingana fahatelo ny fandaharanasa Page
Hitohy ny fandaharanasa fiarovana sy fitrandrahana ny harena voajanahary amin’ny faritra roa: Boeny sy Diana, miaraka amin’ny fiaraha-miasa alemaina (GIZ) ka homen-danja ny vondron’olona ifotony. Nifarana ny fandaharanasa fiarovana sy fitrandrahana maharitra ny harena voajanahary eto Madagasikara (Page 2) sahanin’ny GIZ Madagascar rehefa nisehatra nandritra ny efatra taona ho an’ny […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy hatrany ny fitetezana sekoly ataon’i Zook Davids. Hihaona amin’ireo mpianatra ao amin’ny Ecole privée Sombiniaiko Andranoro izy, anio manomboka amin’ny 9 ora maraina. Fampisehoana an-tsehatra, fitaizana sy fanabeazana miainga avy amin’ny fanajana ny maha olona (fo, saina, vatana, fanahy). Anisan’ny mampiavaka izany ny fahaiza-mampita hevitra ho an’ny ankizy. Ampiasainy […]




