Mois : juin 2024

Mba ho tan-dalàna

  Nahoraka tampoka teo, omaly, fa tsy maintsy havoaka ny faha-21 jona ho avy izao ny voka-pifidianana ofisialy avy eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Mila manatrika ny fetim-pirenena miaraka amin’ny samboady ry tsy mahandry tantana sy tia sehoseho. Asa fa izay tokoa ve ilay hoe ny « werawera tsy […]

Fanendrena tale jeneralin’ny Bianco: vehivavy ny dimy amin’ireo 28 mpifaninana

28 ny kandidà, hisafidianana izay ho tale jeneralin’ny Bianco. Anatin’ny fikirakirana ny antontan-taratasy ny tomponandraikitra. Dimy ny vehivavy amin’ireo mpifaninana. Hifarana amin’ny 6 aogositra ho avy izao ny fe-potoam-piasan’ny tale jeneralin’ny Bianco, izay dimy taona tsy azo havaozina. Manoloana izany, miroso ny dingana amin’ny fanendrena izay ho tale jeneraly vaovao. […]

TSELATRA

Maty voatifitry ny polisy teny Marais Masay i Dodol, jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana, ny sabotsy 15 jona teo. Niara-nametrahan’ny polisy vela-pandrika io olon-dratsy io sy ny namany roa lahy saingy tafaporitsaka ireo mpiara-manao ny asa ratsy aminy. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao […]

Nahatrarana PA sy bala dimy : mpivarotra basy voasambotry ny zandary

Fototry ny tsy fandriampahalemana, nataon’ny zandary hazalambo ka voasambotra ny lehilahy iray mpivarotra fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambonivato, kaominina ambanivohitra Ambodi­manga II, distikan’i Fenoarivo Atsinanana. Manoloana ny fanafihana mitam-piadiana mi­tranga ao amin’io distrika io, namolavola paikady hanatrarana ireo mitam-basy tsy ara-dalàna ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao izy ireo […]

60 lahy nanafika : maty voatifitra i Dadimainty

Dahalo enina lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika nanao hazalambo nandritra ny halatra omby tao amin’ny fokontany Ampilokely, kaominina ambanivohitra Befandriana Atsimo,distrikan’i Morombe, ny 14 jona teo. Anisan’ireo maty voatifitra i Dadimainty. Dahalo 60 lahy indray nanafika tao amin’io tanàna io. Nikasa handroba ny omby rehetra tao am-bala ireo olon-dratsy […]