Mitaky ezaka amin’ny lafin-kery rehetra ny ady amin’ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Mbola maro ireo ankizy lasibatra vokatry ny fahantrana ka voatery miasa na lasa entam-barotra mihitsy.
Niresaka manokana momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy ny mpitsara ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga sady lefitry ny lehiben’ny fampanoavana, Rasoahasinjara Appoline, tao amin’ny tambajotran’ ny masoivoho amerikanina.
Nilaza izy fa manoloana ny fahantrana mianjady amin’ny tokantrano maro, indrindra amin’ireo toerana be mpizahatany, toy ny ao Nosy Be, lasa entam-barotra ny ankizy.
Betsaka ny zaza tsy ampy taona iharan’ny herisetra ara-nofo satria mifanerasera amina karazana vahiny. Fanararaotana ara-nofo no tena hahafantaran’ny olona ny mahazo ny ankizy ao Nosy Be. Miezaka ny rehetra miaro ny zaza ary samy miezaka ny manam-pahefana sy ny fikambanana manatona sy manao fanofanana saingy efa tena raiki-tapisaka izany.
Ireo ray aman-dreny mila beazina noho ny herisetra sy asa ataon’ny ankizy. Lasa entam-barotra hahafahana mamelona ny fianakaviana ny zaza sy ny ankizy. Mila voizina ihany koa ny fanabeazana ny ankizy hiala amin’ny asa mamoehatra.
Tsy tokony hiasa ny zaza, indrindra raha mampidi-doza azy ny asa ataony. Voakasik’ izany ny fampiasana ankizy manao dokambarotra amin’ny fahitalavitra. Raha misy ampahany na dia fohy aza mampiseho ny faritry ny vatany, mampitanjaka, izay mampisy voka-dratsy amin’ilay zaza ny famoahana ny sariny eny amin’ ny haino aman-jery dia efa tena saro-pady izany.
Miseho amin’ny endrika maro samihafa ny herisetra mianjady amin’ny ankizy. Herisetra ara-batana toy ireo vono sy ratra niniana natao. Ny herisetra ara-nofo izay mitranga amin’ny fanolanana matetika. Eo koa ny herisetra ara-tsaina toy ny levilevy sy fandrabirabiana mampidina ny fahatokisantenan’ny ankizy. Ny fampiasana ankizy dia herisetra mianjady amin’ny ankizy ihany koa.
Tatiana A




