Manoloana ny fahantrana : lasa entam-barotra ny ankizy

Mitaky ezaka amin’ny lafin-kery rehetra ny ady amin’ny fampiasana ankizy eto Mada­gasikara. Mbola maro ireo ankizy lasibatra vokatry ny fahantrana ka voatery miasa na lasa entam-barotra mihitsy.

Niresaka manokana momba ny ady amin’ny fampiasana an­kizy ny mpitsara ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga sady lefitry ny lehiben’ny fampanoa­vana, Rasoahasinjara Appo­line, tao amin’ny tambajotran’ ny masoivoho amerikanina.
Nilaza izy fa manoloana ny fahantrana mianjady amin’ny tokantrano maro, indrindra amin’ireo toerana be mpizahatany, toy ny ao Nosy Be, lasa entam-barotra ny ankizy.
Betsaka ny zaza tsy ampy taona iharan’ny herisetra ara-nofo satria mifanerasera amina karazana vahiny. Fana­raraotana ara-nofo no tena hahafantaran’ny olona ny ma­hazo ny ankizy ao Nosy Be. Miezaka ny rehetra miaro ny zaza ary samy miezaka ny manam-pahefana sy ny fikambanana manatona sy manao fanofanana saingy efa tena raiki-tapisaka izany.
Ireo ray aman-dreny mila beazina noho ny herisetra sy asa ataon’ny ankizy. Lasa entam-barotra hahafahana mamelona ny fianakaviana ny zaza sy ny ankizy. Mila voizina ihany koa ny fanabeazana ny ankizy hiala amin’ny asa ma­moehatra.
Tsy tokony hiasa ny zaza, indrindra raha mampidi-doza azy ny asa ataony. Voakasik’ izany ny fampiasana ankizy manao dokambarotra amin’ny fahitalavitra. Raha misy ampahany na dia fohy aza mam­piseho ny faritry ny vatany, mampitanjaka, izay mampisy voka-dratsy amin’ilay zaza ny famoahana ny sariny eny amin’ ny haino aman-jery dia efa tena saro-pady izany.
Miseho amin’ny endrika maro samihafa ny herisetra mianjady amin’ny ankizy. Herisetra ara-batana toy ireo vono sy ratra niniana natao. Ny herisetra ara-nofo izay mi­tranga amin’ny fanolanana matetika. Eo koa ny herisetra ara-tsaina toy ny levilevy sy fandrabirabiana mampidina ny fahatokisantenan’ny ankizy. Ny fampiasana ankizy dia herisetra mianjady amin’ny ankizy ihany koa.

Tatiana A

Partager sur: