Tantara amin’ny Radio: Tsy omen-kasina ny mpilalao sy ny mpanoratra

Tao anatin’ny folo taona, nanomboka niverina indray ny fitiavan’ny Malagasy mihaino tantara mandeha amin’ny Radio. Nitarika firoboroboana teo amin’ity tontolo ity izany. Saika mandefa tantara ny ankamaroany mba hoenti-misarika ny mpihaino…

Fandaharana anisan’ny maro mpihaino ao amin’ny Radio ny tantara. Olombelona maro, andraikitra samihafa no mifameno vao afaka henoina ny tantara iray. Ao ny mpanoratra, ny mpilalao, ny mpanatontosa, ny mpandray feo na ny teknisianina, sns. Hatramin’izao, anefa, ny ampahany maro amin’ireo, mahatsapa ny tsy fanomezan-kasina mianjady aminy.
Tantara iray fandefa amin’ny Radio (na indray mihaino na mitohy), 30 000ar ka hatramin’ny 50 000ar ny vola omena ny mpanoratra. Tahaka izay ihany koa ny an’ny mpanatontosa. 15 000ar ka hatramin’ny 30 000ar eo ho eo no omena ny mpilalao tsirairay. Jery ankapobeny, tsy mifanaraka amin’ny soa azon’ny Radio sy ny mpihaino, raha ireo sandam-bola ireo. Endrika tsy fanomezan-kasina ny mpanoratra sy mpilalao ary ny mpanatontosa, raha ny fanazavan’izy ireo.
«Ny filalaovana tantara vatsiana tetikasa vola no mba mampitombo io vola raisinay io», hoy ny nambaran’ny mpilalao tantara nanaovana fanadihadiana.

Mitaiza, manabe, mikolo ny maha olona feno ny tantara
Na mivantana na an-kolaka, mitondra fanabeazana ho an’ny mpihaino Radio ny tantara alefa ao aminy. Maro ny fitaizana azo sintonina sy voaray hoenti-miaina. Ny talenta sy ny fahaiza-manao ary ny traikefan’ireo mpisehatra rehetra ao anatiny (mpanoratra, mpilalao, mpanatontosa, mpandrindra, teknisianina…) no nahatafita izany any amin’ny mpihaino.
Endrika maneho ny fisian’ny adidy sy andraikitra lehibe eo amin’ny mpanoratra sy ny mpilalao ary ny mpanatontosa io, saingy, tsy mifanaraka amin’izany ny hasina omena azy ireo, hatramin’izao.
Ambonin’izay, ho an’ny Radio mandefa tantara, tafakatra ambony ny tahan’ny mpihaino azy ireo. Misy aza Radio fantatra noho ny fisian’ny tantara alefany. Satria, mahay, mahasarika mpihaino maro ny feo sy ny fahaizan’ireo mpilalao. Tombony hafa tokony hametraka ny hasin’ny mpanoratra sy ny mpilalao tantara, amin’ny tsaratsara kokoa hatrany izany.
… Kolontsaina sy fanabeazana manana ny hasiny lehibe ny tantara fandefa amin’ny Radio, noho izany, mila mendrika izany avokoa ny mpisehatra ao anatiny!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: