Nofaranana, afakomaly, tetsy Ankatso, ny fanaovana fitiliana maimaimpoana nokarakarain’ny Douleur sans frontières. Hetsika niarahan’izy ireo niasa tamin’ny Fianakaviana sambatra (Fisa). Nisy ny valandresaka natao teny an-toerana nandinihina lohahevitra maro, toy ny fahasalamana ara-pananahana, ny fahasalaman’ny vehivavy. Tanjona ny hanentana ny vehivavy hanao fitiliana hahafahana mamantatra raha misy homamiadana izy na tsia. Tsy mbola marisika amin’ny fanaovana fitiliana ny aretina homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny vehivavy eto Madagasikara raha ny zava-misy. Vitsy, araka izany, ny vehivavy manatona mpitsabo sy tobim-pahasalamana hanao fitiliana. Antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny fisian’ny aretina sy ny fisian’ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. “Antony faharoa ny tahotra ho voan’ny aretina sy ny fitsaboan-tena. Antony fahatelo ny henatra sy ny fady mahakasika ny fitsapana sy ny fitiliana isan-tsokajiny”, hoy i Noronirina Jessica, mpampiofana. Maherin’ny 43 ireo tonga nanao fitiliana VIH/sida sy homamiadana mpahazo ny nono sy ny vozon’ ny tranonjaza, teny an-toerana, afakomaly. Nahitana valim-pitiliana “positif” iray izany, raha ny tatitra voaray teo anivon’izy ireo. Manodidina ny 18 hatramin’ny 24 eo ireo tanora tonga nanao izany. “Nandrisika ireo tanora ireo ny fisian’ ny fanentanana momba ny tokony hanaovana fitiliana eo amin’ny olona iray satria tsy hita endrika ety ivelany ny fitondrana ny aretina”, hoy Rasazy Arielle, prestataire eo anivon’ny Clinique mobile. “Tsy maintsy misy ny fitiliana faharoa aorian’ny valim-pitiliana azo eo no ho eo mba hanamafisana izany”, hoy i Noronirina Jessica, mpampiofana. Misy ny tohana ara-tsaina sy ara-pitsaboana azon’ny marary aorian’ny fitiliana.
Mino




