Amin’ireo firenena 16 nandray anjara amin’ny fifaninanana “Prix RFI Théâtre 2024”, avy eto Afrika avokoa ny antsasa-manila. Taratry ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny zavakanton’ity kaontinanta ity izany. Piesy teatraly miisa 13, tamin’ireo 138 nandray anjara no voatazona hifantenana izay handrombaka ny amboaran’ny « Prix RFI Théâtre 2024 ». Ny lanonana fanolorana ny […]
Mois : juillet 2024
SOMBIM-BAOVAO
Tonga nitsidika sy nampahery ny atleta fito mianadahy miatrika ny lalao Olympika atao any Paris France, ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, ny alahady lasa teo. Tsiahivina fa mpilalao dimy amin’ny fito any Paris no mbola miatrika izany fifanintsanana goavana izany. Miverina amin’ny heriny ny ekipan’Ambondrona, amin’ny fifaninanana “XXL Top […]
«3ème Nationale de Miribel Côtière 2024»: norombahin’ny Malagasy ny amboara
Tsy mitsahatra ny mandravarava ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe any Frantsa, amin’izao fotoana izao. Norombahin’i Madagasikara indray mantsy ny “3ème Nationale de pétanque Miribel côtière 2024». Notanterahina tao amin’ny Kianja St Maurice-de-Beynost ao Frantsa, ny alahady lasa teo, ny famaranana niadiana ny “3ème Nationale de pétanque Miribel côtière 2024», taranja […]
Inate FC Rouge : hitily mpilalao vaovao hanomanana ny 2025
Ho fiatrehana ny taom-pilalaovana 2025, nanapa-kevitra ny mpitantana eo anivon’ny klioban’ny Inate FC Rouge Vakinankaratra fa hitily mpilalao vaovao, hanatevin’azy ireo mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”, izay hanomboka ny volana oktobra ho avy izao. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo tomponandraikitra, tanora […]
Jiu-Jitsu – «Kids Bjj Games» : nanjaka ny klioban’ ny Checkmat
Notanterahina teny amin’ny Dojo an’ny Esca Antanimena, afakomaly, ny fifaninanana taranja Jiu-jitsu brezilianina, “Kids Bjj Games”, izay natokana ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 16 taona. Hetsika izay nokarakarain’ny klioban’ny BJJ Esca. Nanjaka ny mpilalaon’ny Checkmat Madagascar, izay nandrombaka medaly 16 (valo ny volamena, fito ny volafotsy ary iray ny alimo). […]




