Nahitana vahaolana tamin’ny ora farany ny amin’ ny Me Mamy, mpanazatran’i Laura Rasoanaivo, eo amin’ny fiatrehana ny lalao Olympika, hanomboka afaka 2 herinandro any Paris. Handeha izy saingy miandry ny CIO, raha hahazo fankatoavana na tsia. Nivadika ho fivoriambe tsy ara-potoanan’ny Komity olympika malagasy (Com) tampoka, ny sabotsy lasa teo, […]
Mois : juillet 2024
TARATRY ny KANTO
Ankoatra ny fanapariahana ny kanto atao, mari-pandrefesana ampiasain’ny mpanakanto maro koa ny tambajotran-tserasera. Ao no hitsirihan’izy ireo ny « dokadoka » sy ny « dakadaka ». Raha betsaka ny doka, misora-tena fa tian’ny olona ilay mpanakanto. Hatramin’izao anefa, « tsy azo atao fangitra hiaingana hoenti-manapa-kevitra loatra ny tambajotran-tserasera », hoy ny mpandinika fiarahamonina. Mety mamitaka izy […]
Fifaninanana K-pop : nitrandrahan’ny tanora malagasy ny kolontsaina koreanina
Mahaliana ny tanora sy ny ankizy malagasy ny kolontsaina vahiny, anisan’izany ny an-dry zareo koreanina. Naseho tamin’ny alalan’ny dihy sy ny hira izany nandritra ny fifaninanana “K-pop World Festival”. Tontosa tetsy amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy teo, ny fifaninanana “dance cover” mahakasika ny “K-pop World Festival”. Fifaninanana iraisam-pirenena andiany fahafito, […]
LMM Saxophone Quartet :nampiseho ny mozika klasika
Naseho tetsy amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, omaly ny fampisehoana mozika klasika hatramin’ny jazz. Amin’ny alalan’ny fitsofana saxophone. Hetsika andiany faha-15, karakarain’ny Madagascar Mozarteum, nampisongadina ny LMM Saxophone Quartet. Fianakaviana malaza amin’ny fampisehoana mavitrika sy ny fahaizany mampifangaro ny mozika samihafa, manomboka amin’ ny klasika hatramin’ny jazz izy ireo. […]
Toekarena sy kolontsaina : raikitra ny « Festival Voasary »
Ho fanoitran’ny fampandrosoana, hanamafy ny fihavanana… Ho tafara-dalana ao anatin’ny « Festival Voasary » ny kolontsaina sy ny toekarena tanterahina any Antsatramidola Andoharano, distrikan’i Mandritsara. Ny 2 ka hatramin’ny 4 aogositra izao, hotanterahina ao amin’ny kaominina Antsatramidola Andoharano, anatin’ny distrikan’i Mandritsara, Faritra Sofia, ny andiany voalohany amin’ny « Festival Voasary ». Raha […]




