Mois : juillet 2024

FANTINA sy FINTINA

Nidina an-dalambe, naneho ny hatezerany noho ny famadihana ny voka-pifidianana, ireo vahoaka ao Maevatanana, ny sabotsy teo. Namba­ran’ireo vahoaka fa tsy eken’izy ireo ny didin’ny HCC ary niahiahiny koa fisiana kolikoly izao nahazoan’ny kandidà Irmar ny fandresena izao. Nohadihadian’ny zandary ilay kandidà, Rasoarimalala Georgette, sy ny mpomba azy vitsivitsy. Noraisin’ny […]

Andriamananoro Augustin : « Aleo mijanona depiote fa tsy ho minisitra »

“Amin’ny maha mpanao politika ny tena, indrindra hoe nofidin’ny vahoaka : metimety kokoa, angamba, raha hajaina sy lanjaina ny samboady, sa­tria fitokisana nomen’ny va­hoaka ny tena”, Io no nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina teo aloha, Andriamananoro Razafinarivo Augustin, izay voafidy ho so­lombavambahoaka ao amin’ ny boriborintany Antanana­rivo I tamin’ny anaran’ny […]

Vaovao voaova

  Hisy fiovana amin’izay ny politika eny anivon’ny Antenimierampirenena? Lapan’ny demokrasia… Amin’izao, voagidragidra ireo depiote hoe tsy miankina. Ambetin-dresaka amin’izany ny hoe mamita-bahoaka: mahaleo tena no nifidianana azy ireo, fa tsy hoe hirona atsy na aroa. Mety hiovaova araka ny fitsokan’ny rivotra politika ny fironana? Na inona mitranga sy atao, […]

Fifidianana sy propagandy: takin’ny Safidy ny fangaraharan’ ny vola

Namoaka fanambarana sady tatitra momba ny fifidianana depiote farany teo ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, Safidy, ny herinandro teo. Maromaro ireo fitakiana ho fanatsarana ny fifidianana. Nambaran’ny Safidy fa mbola misy ny tsy fa­hampiana sy ny tsy fifandrindrana eo amin’ny lalàm-pifidianana ankehitriny. “Eo ny tsy fampiharana ny fepetra momba ny fangaraharahan’ny […]

TSELATRA

Zazavavy 4 taona maty voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tao amin’ny RN37, teo Matavirano Antazoa, Malaimbady, afakomaly. Tsy tazan’ ny mpamily ilay zaza ka nitera-doza. Tazonina hanaovana fanadihadiana ilay mpamily nahavanon-doza. Teratany vahiny 16 niara-naiditra am-ponja rehefa tratra nanao fiondranana antsokosoko tao Ambanja, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nahitana taratasy ara-dalàna avokoa […]