Mois : juillet 2024

Ramamimampionona Gérard: “Asa be no miandry ny governemanta”

“Hita ny zavatra iainan’ny Malagasy amin’izao: fahantrana. Tsy mihinan-kanina izy: ahoana no hihinan’ny hanina? Te hiasa izy: ahoana no ahazoany miasa? Tsy afa-mitsabo tena izy: ahoana no hahazoany mitsabo tena? Te hampiana-janaka izy: ahoana no ahazoana manao izany? Tena asa be izany no miandry ny governemanta amin’izao endri-pahantrana lalina iainan’ny […]

Telo herinandro!

  Fifidianana sy fananganana governemanta izao no malaza. Tsy mbola ho ato ho ato mihitsy aloha ity farany raha ny angom-baovao azo. Mbola mamita iraka any ivelany rahateo ny filohan’ny Repoblika sy ny mpiara-miasa aminy. Taorian’ny tany Paris, mbola ho any Angola sy Guinée ihany koa ny delegasiona izay tarihiny. […]

Fitsidihana an’i Guinée-Bissau : noraisina tamim-pomba fanajana ny delegasiona malagasy

Ao anatin’ny fitsidihana ara-panjakana ireo firenena afrikanina ny filoham-pirenena malagasy, miaraka amin’ny delagasiona tarihiny, amin’izao. Fanatsarana ny fifandraisana amin’ny any ivelany sy ny fitadiavana fiaraha-miasa no tanjona amin’izany. Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, Osvaldo Viera, ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, omaly tolakandro, ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Fitsidihana ara-panjakana […]

TSELATRA

Olona efatra naratra mafy ka zazakely ny iray vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Vohidiala, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Niainga avy any Tsinjoarivo ary nikasa ho any Ambatondrazaka ity fiara ity kinanjo vaky kodiarana tampoka. Potika tanteraka ny fiara. Manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly Ambatondrazaka ireo naratra. Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto […]

Ambositra : tovolahy 17 taona hita faty

Ny lohany sy ny akanjony sisa namantaran’ny fianakaviany ny tovolahy iray 17 taona hita faty tao Kidavy, fokontany Antoetra, kaominina Ambositra, ny alahady 28 jolay teo. Tsy hita iray volana lasa izy. Nanao filazana ta­min’ny alalan’ny onjam-peo ny fianakaviany ary nanao ombay mitady. Ny faran’ny he­rinandro teo, mpandalo no na­hatsikaritra […]