Mois : juillet 2024

Fangaraharan’ny tetibolam-panjakana: tsy ampy ny fahalalana omen’ ny fanjakana ny olom-pirenena

Efa azon’ny daholobe arahina amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara saingy vitsy no mahay mikirakira ny antontam-baovao mivoaka. Nozaraina omaly, teny Alarobia, ny vokatry ny fanaraha-maso ny fanadihadiana amin’ny fangaraharana sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena amin’ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara, taona 2023. Firenena 125 no […]

INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tao Ambohidahy, ny delegasionina avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Nodinihina niaraka ireo olana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Anisan’izany ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo, ny ady amin’ny areti-mifindra (tazomoka, VIH/ Sida, tiberkilaozy) ary ny fanatrarana ny vaksinin’ny zaza. Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mpisolo toerana ny […]

Fitaovam-panjonoana: mampidi-doza ny fampiasana lay misy odimoka

Nanao fanentanana ny mi­ni­sitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsima­na­orate Paubert, amin’ny tsy tokony hampiasana lay misy odimoka amin’ny resaka fanjonoana. Ny lay misy odimoka dia ahitana karazam-panafody 452 isa izay nomena alalana ho ampiasaina anatin’ireny lay ireny. Anisan’izany ny deltamethrine sy ny alpha-cyperméthrine, izay fanafody tsy tsara […]

Toetena varira : Miantso ny handaniana ny volavolan-dalàna eny anivon’ny parlemanta

Nankalazaina omaly, tetsy Faravohitra, ny andiany fahatelo amin’ny Andro manokana ho fampahafantarana ny olona manana toetena varira eto Madagasikara «Mbola marisarisa ny fahafantaran’ny olona ny toetena varira eto amin’ny Nosy. Fotoana nifampizarana sy nampahafantarana amin’ny ireo tonga nanatrika ny olona manana toetena varira izy io», hoy ny filohan’ny fikambanana varira […]

Tarika Telofangady : hira 30 no alahatra rahampitso

“Hiran’ny tarika manontolo, tsy misy fangarony, no alahatray”. Io no nambaran-dRahaja, lehiben’ny tarika Telofangady. Mahakasika ilay fampisehoana “Gasikarako”, izay hotontosain’ izy ireo etsy amin’ny Ivokolo Analakely, rahampitso 7 jolay manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hira manodidina ny 30 isa eo izy ireo, izay misy vaovao sy ireo nampalaza ny Telofangady […]