Mois : juillet 2024

Itaosy : lavo tao anelakela-pasana i Guista

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao Amboatavo, koaminina Itaosy, ny alin’ny alakamisy teo. Miandry mpandalo mody hariva io mpanendaka io ka miafina misitrika any anelakela-pasana. Tsy ma­raina tsy alina, manao io asa ratsiny io hatrany ity olon-dratsy ity. Nanao fisafoana tampoka manoloana io tranga fanendahana misy […]

Halatra omby : dahalo efa-dahy lavon’ny zandary

Maty voatifitry ny zandary ny dahalo efa-dahy tompon’antoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’ Iharandramosa, fokontany Mahatsinjo, kaominina Antanambao, distrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa miserana ao amin’io kaominina io ireo dahalo mpampihorohoro sy mpagalatra omby ireo. Niara-nihetsika ny zandary miasa ao Soanindrariny sy ny […]

Vonoan’olona noho ny ady tany : eni-mianaka migadra mandra-pahafaty

Notsaraina tao amin’ny Lapan’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, afakomaly, ny raharaha vonoan’olona nitranga tao amin’ny fokontany Namahoaka, kaominina ambanivohitr’i Vohitranivona, distrikan’i Brickaville. Fianakaviana iray eni-mianaka voaheloka mandra-pahafaty… Niakatra fitsarana tao amin’ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava ny raharaha vonoan’olona tao amin’ny fokontany Namahoaka Vohitranivo, distrikan’i […]