Mois : juillet 2024
“Revirevy mody masoandro”: hiditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika
Hahazo tombony indray ireo mpankafy vazo miteny sy ny mozikan’ny taona 80. Noezahin’ny mpikarakara hifaranaka amin’izay maha revirevy azy izay ny fizotran’ny fampisehoana amin’io fotoana io hahatanteraka ilay hoe “Revirevy mody masoandro”. Hotanterahina ny alahady 28 jolay 2024, eny amin’ny Centre de Conférence International (CCI) Ivato, ny fampisehoana “Revirevy mody […]
Lycée teknika : Tapitra androany ny fanadinana BEP
Hifarana androany, izay naharitra efatr’andro, ny fanadinana Brevet d’études professionnelles (BEP) ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Raha toa ka efa tapitra omaly kosa ny Certificat de fin d’apprentissage (CFA) ho azy ireo. Fanadinana ara-panjakana natokana ho an’ireo nisafidy ny làlam-piofanana arakasa ny diplaoma BEP. […]
Mpisolovava, sampana Toliara : nahazo trano fiasana vaovao
Notokanana ny zoma 28 jolay lasa teo ny trano vaovao an’ny Holafitry ny mpisolovava, sampana Toliara. Tonga nitokana izany ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nanotrona azy tamin’izany ireo mpanolotsaina mandrafitra ny biraon’ny holafitra sy ireo mpisolovava any an-toerana. Teo koa ireo manampahefana avy any an-toerana. Nanentana ny olona […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina : « Mila arovana amin’ny taniny ny Malagasy »
Nitohy ny fidinana ifotony nataon’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, any Atsimo Atsinanana, omaly. Nihaona tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny tenany, tamin’izany. Vory lanona tamin’izany ireo mpiasan’ny fari-piadidian’ny MFFT avy amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany sy ny fananan-tany ary ny fanajariana ny tany ao amin’ny distrikan’i […]




