Mois : juillet 2024

Natomboka teny amin’ny Ivokolo : volana jolay, volan’ny sary hosodoko

Efa nisy ny “Hosotra” taloha. Nomena sehatra bebe kokoa ity seha-kanto ity nanomboka ny taona 2021, ka raikitra ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, isaky ny volana jolay. Inona no hatao hampitodika ny Malagasy bebe kokoa amin’ny hosodoko? Ny va­lin’izay fanontaniana izay no natambatra, ka niteraka ny “Iray volan’ny hosodoko”. Tsy […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsodrano ireo tanora hisolo tena antsika amin’ny «Parlement francophone des jeunes » ny filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, Rabe­nirina Jean Jacques, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ izany i Mitsin­jolavitra Lalaina sy Solofohanitra Jaspierre. Hihazo ny any Canada ny 3 jolay izao. Tsiahivina fa nifarana omaly koa ny fe-potoam-piasan’ireo depiote. Miova mpitantana ny […]

Fifidianana ben’ny Tanàna : ho 5 tapitrisa Ar ny anto-bolan’ny kandidà

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina indray izao ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny mpampakateny, i Soava Andriamaro­tafika, fa miasa tsy an-kiato izy ireo na vita aza ny fifidianana depiote farany teo iny. Hivory ho fanomanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izy ireo amin’ity herinandro […]

Manova famindra

  Samy miomana amin’ny fanovana governemanta indray aloha izany ny rehetra manomboka izao. Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Nilamina ny zava-drehetra na maro aza ny mpamendrofendro sy ny mpanatsatso, indrindra ny mpandrangitra. Nahoraka rahateo ny hala-bato sy ny hosoka, avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mazava anefa ny an’ny vahoaka, […]