Mois : juillet 2024

TARATRY ny KANTO

“Vazo miteny any Ambatolampy”, miaraka amin’ Ifanihy. Ao amin’ny Akany Soanampiana Ambatolampy no hotontsaina ity fiarahana ity, ny sabotsy 27 jolay izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Fotoana iray araka ny nangatahan’ny mpankafy farany izy ity, ka hitondran’Ifanihy ireo hirany efa tany amin’ny taona 1984 hatramin’izao. Efa tokony hiroso amin’ny […]

Gasy Ploit- 10 taona : santatry ny fankalazana ny « Urban mood »

Natao teny amin’ny Ethnika Analakely, omaly, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny hetsika “Urban mood”. Hotanterahina ny sabo­tsy 27 jolay 2024, eny amin’ny PK 0 Soarano, ny «Urban Mood». Hetsika karakarain’ny Gasy Ploit, to­hanan’ireo mpiara-miasa maro. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Gasy Ploit ity […]

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany : heverina ho mitondra vintana sy vokatsoa eo amin’ny olona ny vato

Manan-karena amin’ny harena voajanahary i Ma­­dagasikara. Anisan’izany ireo karazam-bato samihafa mivoaka sy hita eto an-toerana. Maha­liana ny vahiny izy ireny noho izy miavaka sy tsy fahita firy any amin’ny firenena hafa. Ahitana karazam-bato maro ny faritra rehetra manerana ny Nosy fa samihafa avokoa ny anarany sy ny endriny. Misy anefa […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hotendrena ireo filoha lefitra roan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), hoy ny mpanolotsain’ny Tanàna, Lalatiana Ravololomanana. Ny minisiteran’ny Atitany no manapaka momba izany. Tokony ny iray amin’ireo filoha lefitra no mitantana rehefa tsy eo ny PDS, fa tsy ny sekretera jeneraly. Tokony manontany tena ny Malagasy hoe: ilaina […]

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Minisitra maharaka ny hazakazaka fampandrosoana”

“Mazava ny tenin’ny filo­han’ny Repoblika, Andry Rajoelina: ny fifidianana sy fitondrana olona ho mpikamban’ny governemanta dia olona maharaka ny diany sy ny hazakazaka fampandrosoana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholohan’i Madagasikara, i Tsiebo Mahaleo Richard Victor, momba ny fanendrena minisitra amin’ny fandrafetana ny governemanta vaovao amin’izao. Tsy misy kinamanamana izany; tsy […]