Lalao Olympika: nampitolagaga ny maro ny seho nataon’ny Bloco Malagasy

Nanomboka omaly ary haharitra dimy andro ny fandraisan’anjaran’ny tarika Bloco Malagasy, amin’ny se­hatry ny zavakanto sy kolon­tsaina, mandritra ny Lalao Olympika atao any Paris, Frantsa. Ao amin’ny Site Cour­neuve no anatanterahina izany. Nampitolagaga ny va­hiny sy ireo mpandray anjara amin’ny lalao Olympika ny seho natolotr’ireto tovovavy malagasy mivondrona ao anatin’ny Bloco Malagasy ireto. Ankoatra ny fampisehoana ara-javakanto ataon’izy ireo, tanjona ny hampivelarana
ny talenta sy fahaiza-manao amin’ireo any ivelany.
Ankoatra ny fanatanjahantena. Anisan’ny misandratra any amin’ny Paris, Frantsa mandritra ny lalao Olympika ihany koa ny zavakanto mala­gasy. “Unis par le sport, liés par la culture” io no lohahevitra voizina ao anatin’izao tetikasa fifampizarana ara-javakanto mandritra izao hetsika lehibe izao. Eo koa ny fam­piainana ny mpandray anjara amin’ny kolontsaina Olym­pika. Misy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny dihy sy ny mozika, ny fifampizarana ara-kolontsaina eo amin’ny samy mpandray anjara.
Fotoan-dehibe ahafahana mivelatra eo amin’ny lafiny zavakanto ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny tarika Bloco Malagasy ny sehatra sahala amin’itony. Miisa 11 izy ireo ary tovovavy avokoa. Ma­rihina fa ankoatra ny fiatrehina ny lalao Olympika dia hisy ihany koa ny fitetezam-paritra ao Espagne hataon’izy ireo.

Lin

Partager sur: