Fihaonamben’ny mpiasan’ny fahasalamana: I Toamasina no handray ny andiany fahatelo

Mahatratra 4500 ireo mpi­asan’ny fahasalamana manatanteraka ny fihaonambe any Mahajanga (SPSM), nanomboka tamin’ity herinandro ity. Na­hatonga solontena mavitrika avokoa ny avy amin’ny faritra 23.
Fanehoana firaisankina sy fampivondronana ny hery ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana no tanjona.
Ahitana ireo toko telo ma­hamasa-nahandro, ireo dokotera, ny paramedy sy ny infirmiera ary ny mpandraharaha eny anivon’ny hopitaly sy ny to­bim-pahasalamana ny hetsika.
Fanentanana maro sy he­tsika ara-kolotsaina, ara-javakanto ary ara-panatanjahatena samihafa no natao, omaly. Hi­to­hy hatrany ny fihombonana ary ny renivohitr’i Toama­sina indray no handray ny fihaonambe fahatelo amin’ny taona 2025.
Tafiditra anatin’ny fiahiana ny maha olona izay andry fahatelon’ny vina fampandrosoana an’i Madagasikara ny fanokanana fotoana ho an’ireo mpiara-miasa. Ireo mpiasan’ny fa­hasalamana no kitro ifaharan’
ny fampandehanana ny fitsaboana ny marary eny amin’ireo tobim-pahasalamana sy hopitaly rehetra manerana ny Nosy. Izy ireo koa no iharan’ny fanenjehana mivaivay raha misy ny tsy fetezana kely mandritra ny fanatanterahana ny asany.
Maneho firaisankina amin’ny fanehoana ezaka hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, araka izany, ireo mpiasan’ny fahasalamana.

Tatiana A

Partager sur: