Fampandrosoana: nentanina hiady amin’ny fahantrana ireo Diaspora

Notanterahina tetsy amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), tetsy Anosy, omaly ny atrikasa momba ny Politika nasionaly ho fampandraisana andraikitra ireo za­naka am-pielezana “Lettre de politique nationale d’engagement de la diaspora – LPNED”. Nivoitra tamin’izany ny fanentanana ireo zanaka am-pie­lezana mba hiady amin’ny fahantrana ho fampandro­soana ny firenena. Nitarika ny atrikasa nysekretera jeneralin’ny MAE, i Emi-Haulain Kola. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny atrikasa, vo­katry ny fiaraha-miasa mikendry ny hitarihana ny hetsika hanentanana ny Malagasy am-pielezana any ivelany.
“Maro ireo manan-talenta sy manana ny fahaizana rehetra, afaka mitondra ny anjara birikiny, ho amin’ny fampandrosoana sy ny ady amin’ny fahantrana eto amin’ny fire­nena”, hoy izy.
Nanteriny fa maro ny fa­namby manoloana ireo Dias­pora. Anisan’izany ny fahai­zana miditra anatin’ny fiaraha-monina, any ivelany. Ny fitandroana ny kolontsaina maha Malagasy, ary ny fahasahiranana mifandraika amin’ny
fandefasana vola. Eo koa ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Manolotra rafitra stratejika hanamafisana ny fifandrai­sana amin’ireo Diaspora ny LNPED. Hahafahana mampiroborobo ny traikefa ananan’ izy ireo ary hanamora ny fandraisan’anjara amin’ny fampandrosoana eo amin’ny toekarena sy sosialy.

Synèse R.

Partager sur: