Misoroka aretina maro ny fahazoana mampiasa rano madio miaraka amin’ny savony. Nisy ny ezaka natao amin’ny fametrahana fotodrafitrasa sy paikady hanamorana ny fisitrahana rano ka nampiakatra ny tahan’ny fikirakirana azy any an-tsekoly sy eny amin’ny tobim-pahasalamana niaraka amin’ny Water Aid.
Nisy fanadihadiana natao momba ny tahan’ny fanasana tanana amin’ny rano madio sy savony teny anivon’ny EPP miisa 30 anatin’ny distrika enina ato amin’ny faritra Analamanga, tao anatin’ny roa taona. Namatsy vola ny fanadihadiana ny fiaraha-miasa japoney (Jica) ary nisahana ny asa ny ekipa avy ao amin’ny Water Aid Madagascar. Nanombohana ny asa ny fanangonana antontanisa momba ny tahan’ny fanasana tanana teny anivon’ny sekoly sy ny CSB, hoy ny tomponandraikitry ny fikarohana ao amin’ny Water Aid, Ralaimihoatra Solofo.
Nisongadina fa 7 ka hatramin’ny 10% ny tahan’ny fanasana tanana amin’ny rano madio sy savony ho an’ny sekoly sy ny CSB taorian’ny tombana natao. Namolavola fitaovana manokana sy paikady hampiakarana ny taha ny tomponandraikitry ny asa fikarohana tao amin’ny Water Aid. Teo ny fananganana fotodrafitrasa ahazon’ny mpianatra sy ny mpanabe mampiasa rano madio niaraka amin’ny fampidirana rano na fitarihana rano teny an-tsekoly. Nomena fitaovana koa ny mpanabe enti-manentana ny mpianatra any an-dakilasy. Nifameno amin’ny asa fanentanana tsy tapaka ireo ka nitondra vokatra azo tsapaina.
Niakatra avo efatra heny ny tahan’ny fanasana tanana amin’ny rano madio ka tratra ny tanjona 90%, hoy ny fanazavana.
Nametrahana sinibe fitehirizan-drano ny toerana sarotsarotra ny fahazoana azy mba ahafahan’ny rehetra mampiasa rano mandavan-taona. Ho an’ny toerana tsy lavitry ny famatsin-dranon’ny Jirama kosa, notarihina hatrany amin’ ny sekoly na ny toeram-pitsaboana ny rano. Samy nanaovana fanadihadiana avokoa ny sekoly sy ny CSB amin’ireo toerana voalaza ireo.
Vonjy




