Tsy ampy ny mpankafy ilay seho fanokafana. Hitarina noho izany ny seho famaranan’ny Tempo Gaigy ny fankalazana ny faha-25 taona niakarany an-tsehatra.
Adiny 3 ora sy sasany ilay seho nentina nanokafana ny faha-25 taonan’ny tarika Tempo Gaigy. “Rehefa nohainoana ny mpankafy, nisy ireo hira nanamarika ny fiandohana tokoa tsy natao kanefa be mpiandry. Nanapa-kevitra izahay hanome fahafaham-po azy ireo, ka hampiana hira 10, izany hoe haharitra any amin’ny 4 ora sy sasany indray ity fiarahana ity”. Anisan’ny vaovao lehibe nampitain’i Faniry io, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Karibotel Analakely. Mahakasika ilay seho izay hotontosain’ny Tempo Gaigy ny alahady 11 aogositra ho avy izao io, etsy Antsahamanitra manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.
“Nahavita fampisehoana maherin’ny 20 izahay tanatin’ny fankalazana. Nahafaly anay fa hatrany ambanivohitra lavitra tonganay ka hatrany ivelany. Efa tany amin’ny taona 2005 izahay no nanao toy izany”, hoy ny filazan’i Pôpôly. Nandrisika an-dry zalahy hiverina tanteraka ary hanohy ny fiakarana an-tsehatra izany. Tsy hiverina amin’ny hira fotsiny, fa indrindra koa eo amin’ny soradihy izay tena nahafantarana azy ny Tempo Gaigy. “6 taona izahay nandihy fotsiny aloha, vao nihira. Ny dihy tsy avelanay fa tianay koa io. mamorona soradihy tsy ampoizin’ny mpijery mihitsy izahay, ary mbola hahita ianareo amin’io”, hoy hatrany i Faniry. Antony iray nanasan-dry zalahy an’i Mandresy Jackson sy i Jôjôfra rahateo izany, handravaka kely ny fotoana hakan’ny tarika aina.
Manana hira voasoratra miisa 112 ny Tempo Gaigy, raha ny filazan’i Faniry. “Ankoatra ireo izay tsy mbola noraisim-peo ireo, ka tsy maintsy mba zarainay amin’ny mpankafy. Anisan’ireny ny hiran’ny Tif à Tif izay noforoniko avokoa, ka tsy tiako ho hadinodino any fa hataonay an-tsehatra koa”, hoy ity mpanakanto ity. Eo koa ireo hira vaovao toy ny “Tsy anjaranao ve?”, “Ianao mora tezitra”, sns.
Zo ny Aina




