Magic Squad Madagascar: miezaka mampivelatra ny majika

Tontosa omaly, teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny hetsika niarahana tamin’ny «Magic Squad Madagascar» sy ny «The Mars Crew», nahitana atri­kasa sy fampisehoana mahakasika ny majika. Efa manomboka mahaliana ny Malagasy, indrindra ny ankizy sy ny tanora ity karazana fampisehoana
ity. Tsapa ihany koa anefa fa mbola maro no tsy mahafantatra azy. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny he­tsika ny fampahafantarana sy fampiroboroboana ny majika eto Madagasikara.
Anisan’ny zavakanto miavaka tokoa raha ny majika. Famoronana ilaina fahafehezana entina mambabo sy mitondra fahafinaretana ho an’ny mpijery mantsy izany. Hakinga-tanana no tena ma­halaza azy, raha ny zavatra atao aminy. Maro anefa ny Malagasy no tsy mahafantatra ny tena maha izy azy ka manasokajy izany ho herin’ny maizana. Nahafahana nanazava sy nampahafantatra ary nampianatra ny mahakasika ny majika, araka izany, ity atrikasa ity. Nisy ihany koa ny sehatra nisokatra, nahafa­han’ny rehetra naneho ny fahaiza-manaony manokana mahakasika ny majika.

Lin

Partager sur: