FANTINA sy FINTINA

Raha misy ny rivodoza tsy hahazoana manao ny fifidianana amin’ny 11 desambra, tsy maintsy mitodika any amin’ny Filankevi-panjakana ny Ceni, araka ny fanazavan’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Hampahafantarina amin’izany ny fisian’ny antony tsy azo anoarana, ary hamoaka fanapahana ny Filankevi-panjakana.

Nanolotra fanampiana sosialy ho an’ny mponina sahirana 1 000 ao Mahajanga ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Faritany Mahajanga, Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Avy amin’ny fokontany 26, amin’ny distrikan’i Mahajanga I, izy ireo. Vary
sy menaka ary ronono no natolotra tamin’izany. Hotohizana ny hetsika izay fanamafisana ny fifampitokisana.

Faritanin’i Mahajanga. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fametrahana ny samboadin’ireo solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Nahitana faritra efatra: Sofia, Boeny, Melaky ary Betsiboka. “Masina sy manana ny lanjany ny samboady salorana ary midika izany fa adidy masina sy andraikitra mankadiry no miandry azy ireo eto amin’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, nitarika ny lalonanam-panjakana tany an-toerana.

Partager sur: