Tafiditra anatin’ny politikam-pirenena ny fanelezana ny teknikam-pambolena Pfumvudza. Nanamafy izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tany Zimbabwe, omaly.
Nataony laharam-pahamehana ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampiroboroboana ny fambolena. Tanjona, hoy izy, ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara. Nametraka fanamby ihany koa izy fa haverina amin’ny sata maha sompitry ny vary eto amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana, hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena eto an-toerana, ny fijerena akaiky ny fitaovam-pambolena tahaka izao. Mila hampivoarina manaraka ny toetrandro, araka izany, ny fitaovam-pambolena ampiasaina eto amintsika mba ho haingam-piasa sy hampitombo ny vokatra. Raha ny marina, firenena mampiankina ny toekareny amin’ny fambolena ihany koa i Zimbabwe. 60% amin’ireo singa fototra ilaina amin’ny fampihodinana ny orinasa no vatsiana amin’ny alalan’ireo vokatry ny fambolena ao an-toerana. 2 500 isa ireo karazana fitaovam-pamokarana novatsian’izy ireo ny tantsaha zimbaboianina. Anisan’izany, ny fitaovam-pijinjana varim-bazaha sy katsaka. 1000 taonina isaky ny hekitara ny fitaovam-pijinjana ao anatin’ny fotoam-pambolena iray. Ankoatra izay, misehatra amin’ny fivarotana fiara mpamonjy voina ihany koa ny Bison Agro Machinery. Naseho tamin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fitsidihana ny fiara famonjena voina antsoina hoe «Full option», izany. Azo heverina ny hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny fanafarana io fitaovana raitra io.
Orinasa sy fotodrafitrasa
Maro ny fitsidihana nataony nandritra ny diany tany an-toerana. Anisan’izany ny toerana hananganana ny «Musée de la libération africaine», an’ny Sadc. Tranom-bakoka hitahirizana ireo tantaran’ny tolom-panafahan’ireo firenena nandritra ny ziogan’ny fanjanahantany ao anatin’ny vondrona Sadc, izy io.
Mino




