Ravoajanahary Johary: «Hafa mihitsy ny fifandraisana mivantana amin’ny olona»

Nangina nandritra ny fotoana maharitra ny mpanao gazety sady mpanao famakafakana, Ravoajanahary Joha­ry, tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny radio sy ny televiziona taloha. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny tenany. Nitondra ny famakafakana sy fametrahana fanontaniana nahafantarana azy hatrizay. Namokatra ny fandaharana Solanga izy, izay azo arahina amin’ny kaonty facebook Vaovao 24.7. Ny adihevitra sy famakafakana ny raharaham-pirenena niarahany tamin’i Gascar Fenosoa, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany fahatelo no nisantarany izany tamin’ny zoma.
Nilaza ity mpanao gazety zokiolona ity, nandritra ny resaka nifanaovana taminy, fa nisafidy ny tambajotran-tserasera izy noho ny miasa amin’ny televiziona mahazatra. ”Hafa mihitsy ilay mifandray mivantana amin’ny olom-pirenena, ireo mpanaraka sy ny mpanjifa ny vokatra atolotra azy. Eny fa na misy aza fotoana tsy maintsy miatrika ny fifandonan-kevitra amin’izy ireny mivantana, izay tsy voatery ho miabo foana. Zava-baovao mahafinaritra ahy izany”, hoy izy nanazava.
Fanambin-dRavoajana­hary Johary sy ny ekipany ny hamadika ny kaonty facebook, ho sehatra lehibe hifampizarana vaovao marina sy maroloko. ”Mampiavaka azy ny fizarana ara-potoana mifandraika amin’ny toe-javamisy sy ny tranga miseho”, hoy izy namarana ny fampahafantarana ny fitsanganan’ity sehatra fampahalalam-baovao ana habaka iray ity.

Randria

Partager sur: