Tanterahina anio, eny amin’ny CGM Analakely, ny « Sokaf’hehy ». Fampisehoana hatsikana, iarahana amin’ireo mpikambana ao anatin’ny Gasy Stand Uppers. Ny karazana hatsika Stand Up no tena hisongadina mandritra izany. Misokatra ho an’ny rehetra, ao anatin’ny fanajana fepetra, ny fandraisana anjara. Vitsy sisa ny tapakila afaka jifaina ho an’ny fampisehoan’ny tarika Mage […]
Mois : août 2024
Mba tsy ho endrika ivelany : hamerina ny hasin’ny kolontsaina ny mpikaroka
Miverina eny an-doharano! Faheno matetika io raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina malagasy. Tao anatin’ny 15 taona, niroborobo fatratra ny fety asiana kabary. Ny fihaonana, itafiana lamba. Ny fomba, hiakanjoana malabary, sns. Mba tsy ho endrika ivelany fotsiny izy ireny. Mivondrona ao anatina sehatra iray ny mpikaroka, mpahay fomba, mpampianatra, raiaman-dreny, […]
Raha tahaka izao…: tsy maika ny fandikan-teny
Na, manao fampitahana, na mandika ny teny vahiny amin’ ny teny malagasy! Saika iharan’io fandaniam-potoana tsy hitondra vokatra tsara ho an’ny fampivelarana ny teny malagasy io ny ankamaroan’ny Malagasy. Lesoka tamin’ilay « fanagasiana » (Repoblika faharoa), manomboka miverina sy miha mahazo vahana indray amin’izao fotoana. Inona ny azo handikana ny hoe… amin’ny […]
Franglish eto Madagasikara : mampanantena fampisehoana miavaka ny mpikarakara
Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika ny fampisehoana ho ataon’i Franglish eto Madagasikara. Hiavaka ary tena goavana ny fampisehoana, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Hanatanteraka fampisehoana lehibe eny amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 22 septambra 2024, i Franglish. Teratany frantsay mpanakanto izy, ary […]
Lalam-piofanana elektronika : Sakana ho an’ny mpianatra ny tsy fahafahana mividy fitaovana
Misedra olana maro ny mpianatra eny anivon’ny Oniversitem-panjakana polytechnique vontovorona eo amin’ny lalam-piofanana elektronika, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana samihafa ilaina amin’ny fanaovana fikarohana. Eo koa ny tsy fananana laboratoara manaraka ny fenitra sy ny vanim-potoana. Anisan’ny olana sedrain’ ireo mpianatra manaraka ny lalam-piofanana elektronika, eny amin’ny Oniversitem-panjakana polytechnique Vontovorona, […]




