Voalohany no nandrotsaka kandidà ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, afakomaly. Manana traikefa Randriamandranto Richard, minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha. Mahafeno fepetra izy, fa efa niasa ela teo anivon’ny Comesa. Solontena folo […]
Mois : août 2024
Safidy-momba ny fifidianana : “Mila fanazavana sy fanofanana ny olom-pirenena”
“Tamin’ny fifidianana 2019, fifidianana roa no nokarakaraina: ben’ny Tanàna, mpanolotsain’ny Tanàna. Ao anatin’ny lalàna lany tamin’ny desambra 2023, lisitra no havoakan’ireo mpirotsa-kofidina amin’ity fifidianana manaraka ity. Ny kandidà no mitarika izany, ary aoriany ny filankevitry ny kaominina.” Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), […]
Tsy azo atao tandrevaka
Roa volana izao no nanjavona tsy hita ny Lehiben’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita popoka ilay ranamana izay noheverina fa niangaran’ny vintana sa tena nanam-bintana raha samy tandapa. Tsy misy vaovao ofisialy momba azy kanefa dia vanim-potoana tena ilana azy indrindra izao. Lasa mihazoazo ilay fitantanana ny […]
Filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry: fandresena telo sosona !
Hatao eto Madagasikara, ny volana aogositra 2025, ny lanonam-pametrahana ofisialy ny filoha hitantana ny Sadc, taona 2025-2026, Rajoelina Andry. Fandresena lehibe ho an’ny Malagasy ny nahavoafidy azy. Ny volana aogositra, taona 2025, 12 volana aorian’ny nahavoafidy azy no hapetraka amin’ny fomba ofisialy ho filohan’ny Sadc, ny filoha Rajoelina Andry. Ho […]
TSELATRA
Lasan’ny jiolahy ny poketran’ny renim-pianakaviana iray nandeha bisikileta teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana no nanararaotan’ireo jiolahy. Notsatohan’ny jiolahy antsy ny tovovavy iray handeha hiasa eny Tanjombato, omaly maraina. Monina eny Ankaraobato Tanjombato izy ka teny an-dalana hamonjy taxi-be no nifanehatra tamin’ny jiolahy roa.




