Mois : août 2024

Fifanintsanana « Can 2025»: hiampy telo ireo mpilalao hanatevina ny Barea de Madagascar

Miisa 26 ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar hiatrika ny fihaonana amin’i Tunisie sy i Comores, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2025. Tsy ao anaty lisitra i Clement Couturier. Tsy toy ny mahazatra fa tamin’ny alalan’ny fampahafantarana tao anaty tambajotran-tserasera no namoahan-dRakotondrabe Romuald (Rôrô), […]

TARATRY ny KANTO

“Hosotra-Festival d’arts”, atao etsy amin’ny Tra­nompokonolona Analakely, hatramin’ny 14 septambra 2024 izao. Hetsika ara-javakanto fanaon’ireo mpiangaly hosodoko. Fotoana ahafahan’ny ianakaviamben’ity zava­kanto ity mihaona. Fotoana hampirantiana asa tanana sy hanaovana atrikasa ary fifaninanana eo amin’io sehatra io. Asa tanana hosodoko. Ampirantiana hatramin’ny 23 septambra, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanima­lo, ireo asa […]

Cité Ampefiloha-60 taona: nandray anjara ny mpanakanto avy ao an-toerana

Mankalaza ny faha-60 taona nisiany ny cité Ampefi­loha, eto Antananarivo. Fom­ba maro no nentina nanamarihana ny fankalazana ny zoma sy sabotsy teo. Anisan’izany ny fametrahana ny tsangambato, ny hetsika ara-tsosialy, ara-kolontsaina…, ho an’ireo zanaky ny mponina eny an-toerana. Ho an’ny hetsika ara-kolontsaina manokana, nisy ny fampisehoana maimaimpoana natao tetsy amin’ny […]

Ilay ray izay tsy ananako: nampihetsi-po mpijery ny tantaran’ireo tanora telo

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny tantara an-kira ravahana dihy, nampitondraina ny lohateny hoe: “Ilay ray izay tsy ananako”. Tantara nosoratan’ny Dr Velonjara Voary, filoha mpanorina ny fikambanana Iza. Tantara nampisehoana ny fiainan’ny tanora telo tafalatsaka tao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena noho ny tsy fisian’ny raim-pianakaviana miahy […]

15 taona niarahana : nangotraka ny fanotronan’ireo mpanakanto an’i Eric Manana sy i Jenny

Tonga maro nanotrona an’i Eric Manana sy i Jenny ireo mpanakanto. Izay no azo hamintinana ny seho nentin’izy ireo tamin’ny faha-15 taona niarahany nihira tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly tolakandro. Nangotraka ny fanotronan’ireo mpanakanto maro an’i Eric Manana sy i Jenny satria dia tsy nitsahatra nisy […]