Mois : août 2024

TSELATRA

Naratra mafy niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny lehilahy iray nitondra scooter teny Nanisana, afakomaly hariva. Nandeha mafy, tsy nahafehy ny familiana io mpitondra moto io. Tsy nahina ny ainy. Efa-dahy mpamaky fasana maty voatifitry ny zandary tao Vangaindrano, omaly maraina. Nitondra antsy, nikasa haka ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ny zandary izy ireo ka […]

Ankadimbahoaka: jiolahy roa lavon’ny polisin’ny Sag

Maty voatifitry ny polisy eo anivon’ny Sag, ny jiolahy miisa roa tetsy Ankadimba­hoaka, afakomaly hariva. Nivezivezy teny amin’ny ma­nodidina ireo olon-dratsy, izay efa nitondra fitaovam-piadiana. Nihaodihaody tsy lavitra ny foiben’ny vondron’orinasa matanjaka iray eny an-toerana izy ireo. Nanatona hisambotra azy ireo ny polisim-pirenena saingy nanda izany ireo jiolahy. Tsy nanaiky […]

Iavoloha: efa-dahy nahatrarana rongony 920 kg

Tratry ny vela-pandriky ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny efa-dahy nitondra rongony 920 kg teo Iavoloha, distrika Atsimondrano, afakomaly. Misava eny anivon’ny lalam-pirenena, fiara miisa roa avy any Toliara voasakana. Nampiahiahy ny polisy ny fihetsiky ny lehilahy efa-dahy. Nosavaina, nahitana zava-mahadomelina nilanja 49 gony teny amin’izy ireo. Efa […]

Niady telefaonina : lehilahy maty, voadaroky ny zandriny

Voan’ny totohondry mafy teo amin’ny tenda, namoy ny ainy ny lehilahy iray vokatry ny daroka nataon’ny rahalahiny azy. Nosamborina ity farany. Nosamborin’ny zandarimaria, afakomaly, ny lehilahy iray voarohirohy ho namono nahafaty ny rahalahiny, iray kibo aminy, tao amin’ny kaominina Am­batomainty, faritra Melaky. Namoy ny ainy ny 12 aogositra lasa teo, […]

Salon des études universitaires et des formations: anomezana torolalana momba ny lalam-piofanana

Hotanterahina ny 22 sy 23 aogositra 2024 izao ny «Salon des études universitaires et des formations», andiany fa­ha­roa. Hetsika maimaimpoana atao etsy amin’ny foiben’ny Oriental International Anka­sina Ankazomanga. “Tanjona ny hahafahan’ny ankizy sy ny tanora hahay hisafidy ny lalam-piofanana tiany hatao rehefa eny amin’ny Oniver­site», hoy Rakotoseheno Zina, mpikarakara, nandritra […]