Ho mafy hatrany ny tsiokan’ny alizay ato anatin’ny telo andro manaraka. Tombanana hisy alondrano avy atsimo na atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanana, ka hahery ny ranomasina eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy Mahanoro, hatrany amin’ ny tanjona Bobaomby. Nanomboka omaly hatramin’ny alakamisy ho avy izao ny […]
Mois : août 2024
Governemanta amerikanina : hiady amin’ny fanondranana bibidia
Vonona ny hiady amin’ny fanondranana bibidia antsokosoko sy ny kolikoly ny fitondram-panjakana amerikanina. Fantatra izany nandritra ny fihaonambe nasionaly faharoa ho an’ny ady amin’ny fanondranana bibidia, natao teto Antananarivo, ny 13-14 aogositra 2024 teo. Tamin’ny alalan’ny tetikasa USAID Mizana sy Countering Corruption and Wildlife Trafficking (CCWT). “Miara-mamorona hoavy maharitra ho […]
ARETINA nendran-gidro: mihatra ny fisorohana ara-pahasalamana eto amintsika
Firenena dimy aty Afrika no efa ahitana ny nendran-gidro amin’izao fotoana izao, tsy mbola misy tranga eto Madagasikara. Efa miomana amin’ny fisorohana ny tomponandraikitra. “Efa manana paikady fisorohana sy fanakanana ny fidiran’ny nendran-gidro eto Madagasikara ny fanjakana nanomboka ny taona 2022 ka mampihatra ny fepetra amin’izao fotoana izao”, hoy ny […]
DAKA AN-JORONY: aza manao tahaka ny mpanotrika atody
Mihazakazaka izay tsy izy ny fotoana. Tonga sahady ity ny daty hidiran’ny Barea de Madagascar an-tsehatra. Hiakatra kianja ny omby malagasy. Tsy hiady eo amin’ny kianja mahazatra azy izy fa hifampitrongy any an-tanin’ny mpifanandrina. Tsy manana anjara hilalao eo an-jaridainany noho ny zava-misy. Tsy famendrofendroana akory ny hilazana fa aleo […]
Judo-Afrika Junior: nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura
Anaram-boninahitra faha-6 norombahin-dRasoanaivo Razafy Laura ny fandresena azony afakomaly, tany Yaoundé Kameronina. Nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior. Vokatra tsara indray no azon’ny atleta malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay natao tany Yaoundé Kameronina, ny […]




