Mois : août 2024

Fihariana : mahaliana sokajin’olona maro ny fiompiana trondro

Mitohy ny fampiofanana fiompiana trondro, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), manerana ny faritra maro. Tsy mijanona ho tantsaha intsony, fa ahitana sokajin’olona samihafa. Miisa 21 ny mpisitraka fiofanana momba ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary ary an-tanàna ivelany (hors sol) any amin’ny kaominina Ambatosoratra, distrika […]

Boky «Feux, Fièvres, Forets»: ho tonga eto Madagasikara

Tanterahina ny 22 aogositra 2024, eny amin’ny trano fivarotam-boky Il était une fois Ankorondrano, ny fampahafantarana ny boky « Feux, Fièvres, Forets », nosoratan’i Marie Ranjanoro. Fiaraha-miasa eo amin’ity trano fivarotam-boky ity sy i Marie Ranjanoro no nanaovana izao hetsika izao. Tanjona ny hampahafantatra misimisy kokoa ny boky amin’ny mpankafy vaky boky, […]

Fitetezam-paritra 2025: mitady mpanakanto ny Alliance française

Hatramin’izao, mbola mandray anjara goavana amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny zavakanto any amin’ireo firenena misy azy ny Alliance française. Iray amin’ireny ny eto Madagasikara… Manomana sahady ny taom-pampisehoana 2025 ny tambajotran’ ny Alliance française eto Mada­gasikara. Toy ny isan-taona, hisy indray amin’ity ny fihai­kana ireo mpanakanto, maniry […]

Tetikasa Tafita Jica : nampitombo ny fahaizan’ny ankizy eo amin’ny taranja kajy sy ny vakiteny

Anisan’ny tetikasa iray nampitombo ny lentam-pahaizan’ny zaza malagasy ny va­ki­teny sy ny kajy ny tetikasa «Tafita Jica». Nanampy betsaka izany ny fisian’ny ora fanarenana ive­lan’ny fianarana. Niroso tamin’ny dinika voalohany mahakasika ny tetikasa « Tafita Jica phase III » ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men) sy ny Jica, omaly. Tonga nanatrika izany […]

FANTINA sy FINTINA

Navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, afakomaly, ny didim-panjakana N° 2024-1493 miantso ny mpifidy hanatanteraka ny fifidianana kaominaly sy monisipaly amin’ny 11 desambra, hanomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. Ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey 2024 no hampiasaina ary ny kara-pifidianana farany teo. “Nanao ny tokony ho nataony ny fanjakana […]