Mois : août 2024

Ceni : “Mila miomana ny mpirotsaka hofidina”

“Entanina ny kandidà hiomana avy hatrany. Tsy hiandry ny fotoana farany hahazoana mameno na manao fanitsiana, raha misy tokony hanaovana izany”, hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana kaominaly. Tsiahivina fa atao dika efatra mitovy ny dosie ilaina ho an’ny lisitra kandidà. […]

Miandry andro

  Efa mihetsiketsika ny zaza ao e! Raha ny fantatra, omaly no efa nanomboka ny fijeren’ny praiminisitra ny mahakasika izay olona handrafitra ny governemantany. Mbola nisy ny fandraisana ny antontan-taratasy faramparany ho an’izay vonona, teny Mahazoarivo. Manana eo amin’ny 48 hatamin’ny 96 ora ny lehiben’ny governemanta handefasana izay mahafeno fepetra […]

Tokely Justin : “Vonona hiady amin’ny kolikoly ny depiote”

Nanao fanambaram-pananana ny solombavambahoaka, omaly. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimerampirenena, i Tokely Justin. “Zava-dehibe ny fanaovana fanambaram-pananana, hanaporofoana fa vonona hiady amin’ny kolikoly ary tsy hanao izany kolikoly izany ny solombavambahoaka”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm­panorenana (HCC), Am­bohidahy, omaly, tamin’ny fametrahan’ny […]

TSELATRA

Nidina an-dalambe nandoro kodiarana ny mponina etsy 67 Ha noho ny fahatapahan-jiro lavareny, omaly. Ankoatra ny haizina izay efa saika ho isan’andro ateraky ny fahatapahana, mitaraina ho simba entana amidy koa ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina. Ramatoa mpivarotra rongony tra-tehaky ny zan­dary tao Analalavabe, Ambodivoanio, distrikan’i Mana­nara Avaratra, afakomaly. Nahatrarana […]