Mois : août 2024

Ny honohono tsy ihavanana

  Miteraka resabe, eto an-toerana hatrany ivelan’i Madagasikara, ny mahakasika ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa fotoana maharitraritra izy izay tsy hita popoka. Tsy nandrenesam-peo, tsy hita miasa eny an-kianja. Tsy hay mazava ny zava-misy marina kanefa Antananarivo, fitaratry ny firenena, no resaka eto. Raha ny honohono dia […]

Faha-5 taonan’ny RMDM: «Hitohy amin’ny fanavotam-pirenena ny tolona»

Nanamarika ny faha-5 taona nijoroany ny RMDM. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nahitsy ireo nandaha-teny tetsy Bel Air, manoloana ny mpitondra, tamin’ny fanamarihana ny faha-5 taonan’ny RMDM. Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, fa tsy mba mihaino ny mpitondra ka tsy mahagaga raha niafara amin’izao misy […]

Fifidianana kaominaly : nivoaka ny didim-panjakana ahafahana mirotsaka

Hatao ny 11 desambra izao ny fifidianana ben’ny Tanàna, kaominaly sy monisipaly, manerana ny Nosy, araka ny didim-panjakana mamaritra ny fifidianana lah-2024-1496. Navoakan’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Re­pobli­­ka amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany, teny amin’ny tambajotran-tserasera ny didim-panjakana mahakasika ny fahafahana mirotsaka. Hita ao anatin’izany ny didim-panjakana mampahafantatra ny fikarakarana ny […]

TSELATRA

Maty avokoa ny omby dimy voafaokan’ny taksiborosy tapaka hisatra tao amin’ny tetezan’i Tsaramarina, hiditra ny tanànan’Andriba, RN4, omaly. Nandeha mafy ny fiara kinanjo tsy nahazo tampoka ny hisatra. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy. Avotra soa aman-tsara ilay zaza menavava nisy nanary, tao Analamaho, kaominina Sambava, […]