Jiolahy mpamerin-keloka sady tompon’antoka amin’ny fanafihana lavon’ny zandary tao Toamasina, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 10 minitra. Nokarohina hatry ny ela, anisan’ny hiampangana ity olon-dratsy atao hoe Tombozara ity ny fanatanterahana fanafihana mitam-piadiana tao Anjahambe. Voasaringotra tamin’ny fanafihana nahavery vola 11 tapitrisa Ar tao amina tokantrano iray tao Ambatondrazaka […]
Mois : août 2024
Andranovelona-RN4 : Taksiborosy hotohoton’ny afo
Tratry ny fifampikasohan’ny herinaratra tao amin’ny faritry ny motera, kila tsy nisy noraisina ny taksiborosy iray mampitohy an’Ambanja sy Antananarivo, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Tsikaritry ny mpamily ity fiara fitateram-bahoaka ity fa nisy olana tao amin’ny motera ka nitarika ny firehetana teo amin’ny Pk 46 +500M, araka ny fanadihadiana […]
Norobain’ny jiolahy ny basy: Zandary iray maty voatifitra
Zandary iray no lavo am-perinasa, omaly maraina. Nisy ny fifampitifirana tamin’ny mpitandro filaminana sy ireo olon-dratsy. Lasan’ireto farany ny fitaovam-piadiany. Namoy ny ainy teo no ho eo, vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo, ny zandary iray am-perinasa tao Andriry, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nangalatra omby tao […]




