Servir, service, serviable, le quotidien d’un métier;
Mois : août 2024
Kianja Barea: 40 nisitraka fiofanana tamin’ny Caf
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary […]
Fifaninanana iraisam-pirenena: misongadina amin’ny sehatry ny robotika i Madagasikara
Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena robotika. Nanasongadina ny fahaizana manetsika sy mibaiko robot hanao zavatra iray izy ireo. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Madagascar Andraharo, omaly, ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana mahakasika ny robotika. Fifaninana iraisam-pirenena “Pan-African Robotics […]
Vaovao tambatra
Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly […]
Afo tany Isalo: olona iray voasambotra
Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety manodidina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana […]




