Mois : août 2024

Atrikasa sary varatava: tanjona ny zavakanto tsara kalitao

Tontosa omaly, teny amin’ny ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana Varatava. « Amener la ressemblance à nos portraits », ny lohahevitra novoizina nandritra ity atrikasa ity. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny varatava ». Tanjon’ny hetsika ny hanomezana sehatra ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana sy hampivelarana ny tontolon’ny sary eto […]

« Jazz Quartier »: tanjona ny hampahafantatra ny Jazz amin’ny rehetra

Hitohy anio, amin’ny alalan’ny « Jazz Quartier » ny « Festival Jazz tohatohabato » andiany faha-13. Miainga amin’ny 9 ora maraina eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, mandalo an’Ambohidahy, Anosy, Andavamamba, 67ha, Antanimena, Tsaramasay, Analamahitsy ary hifarana eny Sabotsy Namehana izany hetsika izany. Mpanakanto mpiangaly Jazz maro no hifandimby hanafana ny sehatra mandritra izany. Fiarabe […]

Noho ny « kolo saina maoderina »: nanjary mora fitahina ny Malagasy

Tahaka ny vatana mila koloina sy omena sakafo sahaza azy ny saina. Nanana amby ampy tamin’ireny ny Malagasy fahiny… Amin’izao vanim-potoana izao, nisy ny fiovana noho ny antony maro. Iray amin’ireny ny tantara. Nanana ny fiantraikany tamin’ny Malagasy izany ! Fitaizana, fanabeazana… Samy sehatra lehibe hoenti-mikolo ny saina. Ho an’ny Malagasy, […]

Indray mijery

Loza mitatao ho an’ny tanora ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida. « Tokony ho tonga saina izy ireo satria ahitana taha ambony amin’ny olona mitondra ny tsimokaretina ny Oniversite », hoy ny minisitry ny Fahasalam-bahoaka. Manao hetsika manokana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanentanana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Hisantatra ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, ny […]

Ady amin’ny herisetra: 25 mianadahy nahazo fiofanana

Mpisehatra amin’ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy miisa 25 mianadahy no niofana nandritra ny 3 andro, tao Antsiranana. Fotoana nahafahana nandalina karazana hevitra maro sy rafi-dalàna mifandray amin’ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ny fiofanana. Natolotra tamin’izany ireo fitaovana enti-miasa hisorohana ireo karazana herisetra. Ny delegasion’ny […]