Mois : août 2024

Tselatra

Tafakatra dimy ireo namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina « fano », tao Ambinany Atsimo, Ambomitraka, kaominina Antalaha, hatramin’ny omaly. Zaza vao herintaona mahery ny iray tamin’ireo namoy ny ainy. Nanaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly ireo lasibatra hafa. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona efatra voarohirohy ho nanaparitaka laza adina bakalorea, […]

Asan-dahalo: raim-pianakaviana voasambotra

Voasambotry ny Tafika ny raim-pianakaviana iray nihazona fitaovam-piadiana sy ody ratsy maromaro tao amin’ny tanànan’i Manitsy, fokontany Mahatsinjo, kaominina Fiarena­na, ny 4 aogositra teo. Nandritra ny asa fampandriana fahalemana nataon’ny miaramila avy ao amin’ny Holafy fahefatra Ambaravaranala, tra-tehaka io olon-dratsy io. Natao famotorana lalina, fantatra fa zanak’ity voasambotra ity avokoa […]

«Opération Harato»: dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra

Nifamaly tifitra tamin’ny zandary sy ny Tafika ny dahalo ampolony tao amin’ny kaominina Ambakireny, omaly maraina. Maty voatifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, lavon’ny bala i Njaka Bara na i Popoka, dahalo ikoizana amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, omaly maraina. Anatin’ny hetsika “Ha­rato”, mpitandro […]