Andrasan’ny rehetra fatratra amin’ity alarobia ity, ny fidirana an-tsehatr’i Sidonie Fiadanantsoa, eo amin’ny hazakazaka 100 m misy fefy sy ny an-dRandafiarison Rosina eo amin’ny fibatana fonjam-by, lalao Olympika tanterahina any Paris France. Izy mirahavavy ireo izay heverin’ny rehetra fa hahavita dingana lavitra. Hiatrika ny fifaninanana ao amin’ny Stade de France […]
Mois : août 2024
Kianja Barea Mahamasina: mampiofana momba ny fandriam-pahalemana eny an-kianja ny Caf
Anisan’ireo singa iray notakina tamin’ny Kianja Barea Mahamasina ny resaka fandriampahalemana. Manoloana izany, misy ny fampianarana sy fifampizarana traikefa ataon’ny Caf mahakasika izany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Tonga niatrika izany avokoa ny solontena eo anivon’ny […]
Taratry ny kanto
Ry Tary Tarika, eny amin’ny No Comment Bar. Manome fotoana ireo te hianoka mozika vaovao izy ireo, ny alakamisy 8 aogositra manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Tarika iray ivondronan’ny tanora mpankafy mozika, indrindra ny gadona reggae izy ity. Manafangaro amin’ny mozika nentim-paharazana ihany anefa ry Tary Tarika. Manana […]
Endrika ivelany sisa: very fangitra ny zavakanto
Rehefa mety ho zavakanto, saika very fangitra avokoa. Na, mety ho sarotra aza ny mahita ny madio ranoiray, azo antoka fa misy maro ny zavakanto manaja ny soatoavina malagasy. Endrika ivelany miharo fakan-tahaka be fahatany no hita matetika. Na, milaza ny mitondra zava-baovao, kanefa, nanao tery vay manta tamin’ny fampiarahana […]
Mbola mahazaka sehatra: hitohy ny « Pao-tsatroka ho an’i Henri Ratsimbazafy »
Nakotrokotroka ny fankalazana ny faha-90 taonan’ i Henri Ratsimbazafy, tamin’ny taon-dasa. Ankoatra ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, nahatontosa seho vitsivitsy ihany koa izy. Tsy teto an-tanindrazana ihany fa nisy koa ny fihaonany tamin’ireo mpankafy tany Frantsa, ny volana oktobra lasa teo. Nambara tamin’izany fa iny no seho hataony farany any Frantsa. […]




