Mois : août 2024

« Festival Jazz Tohatohabato »: hanomboka anio, amin’ny alalan’ ny « Jazz Kids », ny hetsika

Miditra amin’ny andiany faha-13 ny hetsika « Festival Jazz Tohatohabato ». Samy hankafy sy hahazo anjara ny rehetra, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ireo ankizy no hisantatra izany. Tanterahina anio, eny amin’ny Tranompoko­nolona Analakely, ny «Jazz Kids». Hetsika tafiditra ao anatin’ny «Festival Jazz Tohatohabato», andiany faha-13. Sehatra natao ho an’ireo ankizy […]

Lalaon-tsaina an-gazety: natao hitazomana ny fitadidiana sy ny fiasan’ny atidoha

Mihamivoatra hatrany ny lalaon-tsaina samihafa maneran-tany sy eto Madagasikara. Mampiala voly sy manatsara ny fiasan’ny saina ny tena antony mahasarika ny maro manao azy ireny, toy ny mots croisés. Maro mpisafidy sy be mpanao ny karazana lalaon-tsaina hita anaty gazety sy gazety boky isan-karazany maneran-tany. Ani­san’ny ahitana mpankafy maro ihany […]

Fantina sy fintina

Tsy mendrika hilahatra rano hatramin’ny mi­sasakalina isan’andro ny vahoaka, araka ny namba­ran’ny depiote Gascar Fenosoa. “Efa aty amin’ny taonarivo fahatelo isika izao… Tsy andrenesam-peo anefa ny mpitondra, tsy miaina izany fahoriana iainan’ny vahoaka izany”, hoy izy tao amin’ny Facebook, omaly. Nanolotra fanomezana ho an’ireo mpianatra afaka CEPE sy BEPC ny […]

Izay mitambatra no vato

Tsy hita be ihany ny andraisana ilay fomba fi­sainan’ny Malagasy. Raha manana finiavana ny hila ravi­nahitra na hitondra politikam-pampandrosoana any amin’ny toerana hafa dia voailika. Voalaza fa tsy zana­ky ny faritra na mpanjanaka maoderina. Raha mba manana drafitrasa ao an-tanàna indray anefa dia mpaminany tsy masina an-taniny izao indray! Tsy […]

Praiminisitra Ntsay Christian: hampahafantatra ny fandaharanasany

Nolanian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tetsy Ambohitsorohitra, ny didim-panjakana miantso ny fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta. Hotanterahina ny zo­ma 9 ao­gositra sy ny alatsinainy 12 izao izany. Anisan’ny lahadinika ny fampahafantaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, amin’ireo parlemanta, ny fandaharanasa hanatanterahina ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Voafaritry ny And.99 amin’ny Lalàmpano­renana izany ary […]