Mois : août 2024

Fanaovana yoga: azo hifehezana ny rarintsaina

Azo hifehezana ny rarintsaina (stress) ny fanaovana yoga. Fomba efa manomboka mahazo vahana eto amintsika. Fomba fanao indianina ny yoga izay anisan’ny fitsaboana vatana no sady fanatanjahantena koa. Mampiasa ny fahaiza-miaina (respiration) sy ny fahafahana manetsika vatana (souplesse). Manampy amin’ny fifantohana ny yoga ary azon’ny olona rehetra atao manomboka amin’ny […]

BEN’NY TANANAN’Imerintsiatosika: nanasongadina ireo seha-pampandrosoana

Hetsika maro sosona no hita teny amin’ny kaominina Imerintsiatosika, omaly, izay notarihin’ny ben’ny Tanàna Andriambolanarivo Parisoa. Nisongadina, tamin’izany, ny fizarana karatany faobe natao tamin’ireo fokontany 9, ani­san’ny mandrafitra ny kaominina. Fanamorana ny fisitrahana ara-dalàna ny tanin’ny tan­tsaha ny karatany. Efa maherin’ny iray alina no vita sy nozaraina. Mizaka irery ny […]

Fitsarana bakalorea Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tambin-karama andiany voalohany

Mbola ao anatin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea ny mpampianatra amin’izao fotoana izao. Hozaraina tsy ho ela ny tambin-karama ho azy ireo, raha ny fanazavana voaray. «Hozaraina amin’ity herinandro ity ny tambin-karama andiany voalohany ho an’ireo mpampianatra mitsara sy niambina ny fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity », raha ny fanazavana voaray. « Ezahina […]

Banky iraisam-pirenena: mponina 6 tapitrisa mahery hisitraka 205 tapitrisa dolara

Hisitraka tohana mitentina 205 tapitrisa dolara ireo mponina maherin’ny 6 tapitrisa avy eto Madagasikara, kaomoro ary Mozambika amin’ny alalan’ny fandaharanasam-paritra vaovao an’ny Banky iraisam-pirenena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nanka­toa izany Programme régional pour la préparation aux situations d’urgence et un relèvement inclusif (Repair). Fito andro aorian’ny loza voajanahary dia hisitraka […]