Mois : août 2024

Indray mijery

Nandray an-tanana ireo tra-doza nandritra ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny BC Namorona, nahafatesana olona 6, ny tomponandraikitra ifotony ao Manakara. Nanampy tamin’ny fitondrana ny razana hihazo an’i Vohipeno izy ireo ary mikarakara ireo maratra 11 mbola manaraka fitsaboana. Ireo olona namonjy tsena hody any Ambalona , CR Sandroy no tena voa […]

«Journées de Cancerologie de Madagascar»: hankalazaina any Mahajanga ny andiany faha-22

Tanterahina ny 7 sy 8 aogositra 2024, any Mahajanga, ny “Journées de cancerologie de Madagascar”. Anisan’ireo mandray anjara mivantana amin’izany ny Association s’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Madagascar (Arom). Hetsika maro no entin’ireo mpitsabo sy mpisehatra eo amin’ny fahasalamana manamarika izany. Hisy ny velakevitra sy fanentanana maro isan-karazany, […]

Akora simika: mitarika fahavoazana mafy ho an’ny fahasalamana

Nanaraka fiofanana mahakasika ny fitantanana ny akora simika ny vondrom-paritry ny tontolo iainana Vakinan­karatra sy ireo mpikambana ao anatin’ny komity misahana ny fampandehanana ny ivontoerana fanaraha-maso ny akora simika, ny herinandro teo. Tanjona ny hahafahana mitantana ara-drariny ny izany mba tsy hitera-doza sy tsy hiparitaka eny amin’ny tontolo iainana. Miteraka […]

Antananarivo sy ny manodidina: tanàna maro no mijaly rano, voatery mividy lafo

Miverina ny olan’ny rano eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Filaharambe eny amin’ny paompy izay hany sisa mandeha. Vidian-dafo hatrany amin’ny 1000 Ar ny daba mavo iray. Maintany tanteraka ireo tanàna amin’ny faritra avo eto Antananarivo sy ny manodidina, tao anatin’ny roa herinandro izao. Tsy mandeha ny ranon’ny Jirama na ny […]

Kitra- D2 Nasionaly: misongadina ny AS Fos, nanao sahala ny AS St Anne

Notanterahina omaly ny andro fahefatra, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions D2 National”. Niraraka toy ny rano ny baolina maty tany amin’ny faritr’i Toamasina. Nomontsanin’ny AS Fos Analanjirofo tamin’ny isa 10 no ho 2, ny ekipan’ny 3M Atsinanana. Nisaraka ady sahala […]