Mois : août 2024

Rugby – “XXL Top 20”: lavon’ny 3FAI ny FBM Bemasoandro Itaosy

Notanterahina omaly, tao amin’ny kianja Malacam Anta­ni­mena, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby; diviziona faharoa, federaly II XXL Top 20. Nomontsanin’ny 3FAI Ambala­vao Isotry, tamin’ny isa 48 no ho 20, ny Fbm Bemasoandro. Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, azo lazaina fa niady tanteraka ny fi­ha­oanan’ny roa tonta, […]

Sombim-baovao

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazana ny faha-59 taonan’ny Maître Razanakolona René. Ady totohondry miisa 60 no nitranga nandritra io 2 andro io, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Tanjona ny hamelomana indray ny taranja. Nifarana omaly, tany Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 18 […]

Karate-Fampivondronana: tanjona ny ho tompondaka iraisam-pirenena

Niatrika fampivondronana nandritra ny 4 andro, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny mpikatroka karate, sokajy Poussins, Minimes ary Ben- jamins, taranja karaté. 24 mianadahy izy ireo no nisitraka izany. Mpikarakara ny hetsika ny federasion’ny Karate-do malagasy. Notsongaina tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “enfant” farany teo izy ireo. Ny roa voalohany isaky […]

Rabejaona Holy Antsa: nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra tany Paris

Mbola mitohy ny fandraisana anjaran’i Madagasikara, amin’ny lalao Olympika 2024 tanterahina any Paris. Atleta malagasy roa indray no niditra an-tsehatra ny sabotsy lasa teo. Rabejaona Holy Antsa, taranja lomano, sy i Rija Vatomanga Gardiner, taranja atletisma, no nandray anjara, ny sabotsy lasa teo. Fandraisana anjara azo lazaina ho nahafa-po na […]