Mois : août 2024

Fantina sy fintina

“Efa voasazy isan’andro ny vahoaka. Mbola hosaziana indray koa rehefa tara amin’ny fandoavana faktioran’ny Jirama”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo. Nanteriny fa efa voasazy tsy afaka mianatra, tsy afaka mitady vola noho ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano. “Rahoviana no hosaziana ireo namotika ny Jirama?”, […]

Governemanta vaovao: tokony hivoaka alohan’ny 12 Aogositra

Alohan’ny 12 aogositra no tokony ho tafatsangana ny governemanta vaovao, raha ny lalàna no jerena. “Manana 30 andro taorian’ny nanendrena azy hahazoany manolotra ny Programa ankapoben’ny fanjakana (PGE) eto anivon’ny Antenimierampirenena. Ny governemanta no manolotra an’izay. Inoana fa mbola ma­nam-potoana ny Prai­minisitra, satria amin’ny 12 aogositra vao tapitra izay fe-potoana […]

Ben’ny Tanànan’Antananarivo: niantso an-dRavalomanana Marc ho kandidà ny Tim

Niantso ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ho kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo ny mpomba azy. Nisy ny fanambarana afakomaly, teny Bel Air. Nanao fanambarana lehibe ny antoko Tim, tarihin’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc, teny Bel Air, tamin’ny sabotsy. Nivoitra tamin’izany ny fangatahana azy hirotsaka hofidina ben’ny Tanàna eto Antana­narivo […]

Asa… anamarinan-toerana

Mby aiza ny hoe fampandrosoana amin’izao? Samy miaina izay isiany andavanandro ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, ny isam-paritra. Tena maharesy lahatra ny vahoaka ifotony ve, ohatra, izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny hoe fampandrosoana? Na araka izay hetahetam-bahoaka sy mahasoa azy ho amin’ny fari-piainana tsaratsara kokoa hatrany izay atao sy iadiana… Izay no […]

Tselatra

Taxi-be iray zotra 192 no tapaka hisatra teo Tsiazo­tafo, ny sabotsy teo. Soa ihany fa mailo ny mpamily ka nandefa ny fiara nihanika tamina tohatohatra teo amin’ny trano fivarotana iray fa raha tsy izany zava-doza no nitranga. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy fa avotra ireo mpandeha rehetra. Mpampianatra […]