Dingana vaovao ! Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Antokon-draharaha fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara (EDBM) sy ny trano fiantohana Aro. Nambaran’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny EDBM, Rtoa Rakotomalala Lantosoa, fa natao ity fifanarahana ity, entina hampandrosoana ny fampiasam-bola eto Madagasikara ho an’ny mpandraharaha eto an-toerana (IDN) sy ny […]
Mois : août 2024
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina omaly, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Lavon’ny FC Theo Sava, 1 no ho 0, tany Vohemar, ny ekipan’ny AS ST Anne Analamanga. Marihina fa nahazo karatra mena telo ny solontenan’Analamanga tamin’ity fihaonana ity. Anio no hiakatra […]
Kick Boxing-Mada 2024: nijerena ny hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena
Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kick Boxing. Fifaninanana nijerena izay mendrika hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Mpikatroka 182 avy amin’ny ligim-paritra 14 no tonga nifanina nandritra ny fifaninanam-pirenena 2024 ity. 108 tamin’izy ireo no niatrika famaranana, izany hoe, ady 54 no nitranga nandritra izay […]
Handball- Mada jeune 2024: hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena
Notanterahina teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, nanomboka omaly, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, lehilahy sy vehivavy, taranja handball. Mana-danja tokoa ity fifaninanana ity, amin’io no hanaovana ny fifantenana mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akio, lehilahy sy vehivavy. Anisan’izany ihany koa ny hanana ekipa tompondaka isakin’ny sokajy, « minimes, cadets, juniors ». […]
Baolina kitra : hatao any ivelany avokoa ny lalaon’ ny Disciples sy ny Elgeco Plus
Noho ny tsy fisian’ny kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), hatao any ivelany avokoa ny lalao mandroso eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboara hatrehin’ny Disciples sy ny Elgeco Plus. Efa ofisialy, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao amin’ny […]




